Talata 14 Febroary 2023

Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an’efitra ka mandeha hitady ilay very, mandra-pahitany azy ? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy. Lioka 15:4-5

 

Fantatrao ve fa tia anao Jesosy ? (1)

Niandry teo am-baravarana fiangonana iray any Henderson (Etazonia) i Cody. Ao mantsy dia omena kafe, sakafo ary fahafahana mandro ireo tsy manan-kialofana. Nanatona an’i Cody ny mpilatsaka an-tsitrapo iray. — Azafady tompoko ? hoy izy.

Nitodika i Cody, ka nifanatrika tamin’i Michelle, izay nibanjina azy.

— Azafady, hoy ihany izy, toa mila hofihinin’olona eny an-tratrany ianao izany.

Gaga i Cody. Io izy, nikorontam-bolo, nisarita-bolombava, naloto akanjo… Hisy olona hamihina ahy eny an-tratrany hoe ? Nihifikifi-doha izy :

— Madama a, maimbo dia maimbo anie aho e.

— Tsy maimbo ianao amiko, hoy izy namihina azy. Avy eo dia nijery azy mahitsy indray izy, ka nanontany hoe : Fantatrao ve fa tia anao Jesosy ?

Tsy afaka ho tia ahy Jesosy, hoy i Cody anakampo, izaho izay tsy manam-ponenana raikitra, midoroka zava-mahadomelina, lehilahy ratsy toetra.

— Tia anao Jesosy, hoy ihany izy, namerina.

Mandraka androany, taona maro tatỳ aoriana, dia mbola hontsa hatrany i Cody rehefa miresaka an’io andro io. „Kihon-dalana teo amin’ny fiainako izany, hoy izy mitantara. Toy ny hoe izaho nifanena tamin’i Jesosy, Izay nilaza tamiko hoe : „Cody, tiako ianao”. Tamin’io vanimpotoanan’ny fiainako io aho dia tsy nanantena ho tafavoaka intsony, nandositra ahy avokoa ny olona rehetra ; ary na ireo tsy manam-ponenana raikitra hafa aza, nanilika ahy. Tamin’io fihetsika tsotra io no nanehoan’i Michelle tamiko ny fahasoavan’Andriamanitra, ary nisy zavatra nitranga tato anaty foko. Takatro ny atao hoe fitiavan’Andriamanitra. Dia nisy tsela-pinoana nirehitra tato am-poko.”

(rahampitso ny farany)