Alatsinainy 13 Febroary 2023

Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy ; fa Jehovah kosa no mandray ahy. Salamo 27:10

Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako. Isaia 43:4

 

Tia ahy Jesosy, amin’izao maha izaho ahy izao

Nilaozan’ny ray aman-dreniny i Stéphanie, tany Corée, tamin’izy efa-taona, saingy tafavoaka velona ihany, na dia niaina tao anaty toejavatra sarotra indrindra aza, talohan’ny nananganana mpivady kristiana amerikana azy. Hoy izy mitantara :

„Tamin’izaho 17 taona, indray hariva tena nampamoy fo ahy mihitsy, dia nilaza tamiko ilay raiko nanangana ahy fa fantatr’i Jesosy ny fahatsapako ny tenako, ary Izy irery ihany no afaka manampy ahy. Talohan’izay aho dia nihevitra an’i Jesosy ho Ilay Zanak’Andriamanitra fotsiny ihany. Sambany aho vao nisaintsaina ny maha olona Azy sy izay niainany tetỳ an-tany. Hoy aho anakampo : Tahaka ahy koa Izy, niaina fanilikilihana. Tahaka ahy dia nesoina sy nasiana ratsy Izy.

Rehefa irery tao an’efitranoko aho, dia nivavaka hoe : „Tompo ô, mba manaova zavatra ho ahy, mba ataovy izao ankehitriny izao anie izany e”. Dia nataony tokoa ! Nanomboka nitomany aho. Taona maro aho no tsy mba nitomany, fa tamin’io hariva io kosa dia nisy zavatra mangatsiaka sy mafy, sakana teo amiko sy Andriamanitra, potika tao anatiko tao.

Nony nandre ny taraindrainako ny ray aman-dreniko, dia tonga nipetraka teo amin’ny farafarako. Nivavaka mangina ho ahy izy ireo. Dia takatro fa mahafantatra ahy Jesosy ary tia ahy, na teo aza ny henatro, ny fahamelohako, ireo tebitebiko, ny maha manirery ahy. Tia ahy Izy ! Nanomboka tamin’io fotoana io dia niova tsy toy ny teo aloha intsony aho. Taloha aho dia nihevitra fa natokana ho an’ny hafa ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy afaka nitia ahy Izy, izaho izay safiotra, izaho izay nampijalina sy nanana fahatezerana mirehitra mafy ato anatiko. Fa tamin’io hariva io kosa, dia zava-mahagaga no naseho tamiko ! Tia ahy Jesosy, amin’izao maha izaho ahy izao.”

Stéphanie Fast