Alahady 12 Febroary 2023

Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra. Efesiana 4:10

(Jesosy) efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona… amin’ny fahasahiana. Hebreo 4:15, 16

 

Ny maha olona an’i Jesosy (5)

Asehon’ireo filazantsara fa Jesosy dia olona, lavorary ary tsy nanana ota. Naka vatan’olombelona Izy, mba ho afaka ho faty (Hebreo 2:9). Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, nikoriana teo ny rany, izay manadio ny mino ho afaka amin’ny fahotana rehetra (1 Jaona 1:7). Manomboka hatreo, ny olona rehetra mino Azy dia voavonjy sy voavela heloka (Romana 3:26).

Taorianan’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray, dia niseho tamin’ny mpianany Jesosy. Nanana vatana Izy, saingy vatana efa nanjary velona indray. Nahita sy nikasika Azy izy ireo, niteny Izy, ary niara-nisakafo taminy. Avy eo Izy dia nampiakarina ho any an-danitra teo imason’izy ireo, ary nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra (Lioka 24:50-51 ; Marka 16:19). Nilaza tamin’ny mpianatra ny anjely fa tahaka izany koa ny hiverenany indray (Asan’ny Apostoly 1:11).

Ilay olona napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toeram-boninahitra, eo ankavanany, dia Ilay fantatry ny mpianatra sy notiaviny. Ilay mipetraka eo amin’io toeram-pahefana sy toeram-boninahitra io, dia Ilay olona azo nohatonina sy be fangorahana, Izay niaina sy nijaly teto amin’ity tany ity. Izy dia Ilay nolavin’ny olona, nohomboany teo amin’ny hazofijaliana sy notsiratsirainy. Io olona io, any an-danitra, dia mitondra mandrakizay ny holatr’ireo fijaliany teo amin’ny hazofijaliana.

Ary noho izany indrindra Izy dia afaka mahatakatra ny manjo antsika. Tsy „avy eny lavitra eny” tsy akory Izy no miara-ory amintsika ! Fantany avokoa izay rehetra mety ho tsapan’olona iray, satria efa niainany. Malahelo ve isika ? mitebiteby, sahiran-tsaina, tsy takatry ny hafa, voailikilika ? Ndao hanatona Azy, matoky fa afaka mahatakatra ny manjo antsika Izy, eo am-piandrasantsika ny androm-pahasambarana hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra eny amin’ny tavantsika, noho ny fandreseny teo amin’ny hazofijaliana (Apokalypsy 21:4).

(farany)