Asabotsy 11 Febroary 2023

Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa ; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery ; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra ; handeha izy, nefa tsy ho reraka. Isaia 40:31

 

Ny sidintsidin-dranomasina any an-tendron-tany avaratra

Tamin’ny taona 2015 dia nisy mpandinika vorona nametaka fitaovana hanaraha-maso azy ireo, tamina sidintsidin-dranomasina vitsivitsy, tao amina nosy kely iray tsy misy mponina, any avaratra atsinanan’i Angletera. Ny vokatra voangona tamin’izany dia nahafantarana ny lalana narahin’ireo vorona ireo.

Ny volana jolay dia nisy vorona iray nilanja tokony ho 100 grama teo ho eo, nandeha nianatsimo. Nandany ny ririnina tany atsimon’ny ranomasimbe Indiana izy, ary tafaverina tany amin’ilay nosy kely anglisy tamin’ny volana mey. Tao anatin’ny 10 volana izy dia nahavita lalana mihoatra ny 95 000 kilometatra. Hoy ny tompon’andraikitr’ilay tetikasa hoe : „Mila fanetrentena ny olona, raha hihazona eny an-tanany vorona nanidina lavitra toy izany”.

Mitolagaga isika, manoloana ny fahazain’Ilay Mpahary. Ilay Andriamanitra hendry sy Tsitoha no namorona ireny vorona ireny, ho amin’izany dia lavitra izany. Omeny hanina feno otrik’aina izy, hahafahany manidina 300 kilometra isanandro eo ho eo.

Io Andriamanitra io koa no mikarakara ireo izay mitoky aminy. Omeny hery vaovao isanandro isika, ahafahantsika mizotra eo amin’ny lalan’ny finoana. Amin’ny alalan’ny Teniny Izy dia mampahery antsika, ao anatin’ny fotoan-tsarotra, sy mampitodika ny saintsika ho amin’ny tanjona any an-danitra.

Fahagagana noho ny fahasoavany ny tsy mahatrotraka antsika, na dia eo aza ny fijaliantsika. Ampiany isika ka maharesy ireo sakana. Izany no antony tokony hametrahantsika isanandro ny fitokiantsika amin’Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitsika. „Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be” (Isaia 40:29).