Zoma 10 Febroary 2023

Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra ; … fa eto amiko no hahavoavonjy anao. 1 Samoela 22:23

Izaho tsy handao anao mihitsy, na hahafoy anao akory. Hebreo 13:5

Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho ; inona no azon’ny olona atao amiko ? Hebreo 13:6

 

Fatokiana

Eto am-pamakivakiko ny tany, Dia miambina ahy Ianao, Jesosy ô ! Tena sarobidy amin’ny fonao ny fanahiko, Lafo dia lafo ny nividiananao azy ! Anao aho !

 

Rehefa manambana ny loza, eny amin’ny diako, Rehefa tsy azo antoka ny làlako, Rehefa itambesaran’ny fisalasalana ny fiainako, Dia eo Ianao, ry Mpamonjiko, mihazona ny tanako.

 

Ary noho ny fahalemeko, Raha mihataka amin’ny lalana ny diako, indraindray, Dia ny fitsinjovanao sy ny fitiavanao No mamerina ahy aminao, ry Andriamanitra Mpiandry.

 

Ao aminao, ry Tompo, ny tokiko ; Eo anilanao aho dia tsara ambina… Am-piadanana no irosoako am-paharetana ; Eny, ho tratrako ny tanjona ! Azo antoka izany.
Jean-Michel Bard*

„Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy ; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy ; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana, noho ny anarany, Izy.

Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko… Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy, amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” (Salamo 23)

*Ity takila ity dia nosoratan’ilay namanay sady mpiara-miasa amin’ny fanontana ity alimanaka ity, rahalahy ao amin’i Kristy, volana vitsivitsy talohan’ny nandehanany ho any an-danitra.