Alakamisy 9 Febroary 2023

Miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy… Zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:12-14

 

Teny fototra iray : ny antony mandrisika

Vao avy resin’ny mpifanandrina taminy ilay mpilalao tenisy nametrahan’ny mpijery fanantenana lehibe aoka izany. Nony nivoaka ny kianja izy, dia nanazava tamin’ny mpanao gazety fa tsy narisika intsony rehefa resy teo amin’ny fizaram-potoana faharoa.

Marisika : teny fampiasa fatratra eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ! Resahina ny taratasy filazana ny antony mandrisika rehefa mitady asa, resahina ny olona marisika, ny mpiasa tsy marisika intsony. Rehefa marisika isika, noho ny vokatry ny asantsika, dia miatrika ny zava-manahirana am-pahatoniana sy herimpo eo am-panaovana azy. Rehefa tsy marisika isika, dia tsy mahita afa-tsy ny lafiratsiny. Fantatry ny sampan-draharaha mampiditra mpiasa ao amin’ny orinasa fa matetika ny fananana antony tsara mandrisika dia manan-danja kokoa noho ny fari-pahalalan’ilay mpifaninana.

Tsy misy, etỳ an-tany, antony mandrisika kokoa noho ny an’ny kristiana tia ny Tompo, satria fantany fa tia azy ny Tompo. Manana tanjona izy, dia Kristy. Fantany ny anton’ny fisiany eto an-tany sy ny tanjon’ny fiainany. Miatrika am-patokiana ireo zava-manahirana izy, satria mijery an’i Kristy, Izay mandahatra ny zavatra rehetra hahasoa azy.

„Fa Kristy no anton’ny ahavelomako”, hoy ny apostoly Paoly (Filipiana 1:21). Izany ka antony mandrisika, hahitana tombontsoa ! eto amin’ity tontolo tsy marisika intsony misy antsika ity, tontolo tototry ny hadisoam-panantenana, izay mahatonga hamono tena, indraindray. Afaka hanjary antony mandrisika anao koa izany, dieny anio.

Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia mifandraisa amin’ny Tompo Jesosy amin’ny alalan’ny vavaka, ary ataovy hitanao ao aminy ny antony mandrisika tena izy, izay hanova ny fiainanao.

„Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy” (Hebreo 12:1-2).