Alarobia 8 Febroary 2023

Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. Hebreo 9:27

Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany ? Jeremia 5:31

 

Ny andro farany eo amin’ny fiainana

— Inona no hataonao, raha tsy manana intsony afa-tsy iray andro ianao hiainana ?

Izany fanontaniana izany dia napetraka tamina tanora 16-17 taona nandritra ny fampianarana fandalinam-pinoana. Hovakina ampahibemaso ny valin’ny fanontaniana, tsy ilazana ny anaran’ny mpamaly. Koa nalalaka ny tsirairay nanoratra izay neritreretiny. Ireto, santionany vitsivitsy :

— Hampihorohoro ny eran’ny tanàna aho, mba hamoahako ny horohoroko manokana. Ary farany, noho ny tahotro ny fahafatesana, dia hiery any amina toerana miafina iray aho.

— Noho izany fe-potoana tena mavesa-danja izany, dia tsy hanao hadalana aho. Angamba aho hitady izay hihavanako amin’Andriamanitra.

— Na ahoana na ahoana, dia tsy hivavaka amin’Andriamanitra aho, satria hatramin’izao aho tsy niraharaha Azy.

Fa nisy kosa valinteny iray niavaka tamin’ny hafa, ary nohenoina tanaty fanginana :

— Hanohy am-pahatoniana ny fiainako toy ny teo aloha aho. Satria Jesosy Kristy dia efa namela ny fahotako. Izany koa no antony hahafahako miaina tsy amin-tahotra ny androko farany.

Izany fiadanana izany dia tian’ny Tompo Jesosy homena ny olona rehetra. Hoy Izy : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Eo anilany isika dia afaka mametraka ny enta-mavesatry ny fahotantsika, sady miaiky azy ireo an-kitsimpo. Dia hiainantsika fa Andriamanitra mamela ny helotsika sy manome antsika antoka hiaraka aminy mandrakizay. Io fahazoana antoka io no manafaka ny mpino amin’ny tahotra ny fahafatesana.