Talata 7 Febroary 2023

Izao no lazain’i Jehovah… : Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho ; ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy. Isaia 43:1-2

 

Mitoky amin’Andriamanitra ao anaty fahoriana

Tsara vakina : Marka 4:35-41

Tamin’ny taona 2005 dia namely faritra maro tany Amerika ny rivodoza Katrina, ary nandrava zavatra betsaka. Tany Mississippi dia nisy mpivady kristiana antitra nanaraka akaiky ny vinavinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetrandro. Nandao ny tranony ara-potoana izy ireo, mba hitady fialofana noho ny hamehana. Rehefa nitony ny tafiotra, dia niverina tany an-tranony izy ireo. Fa hatairana moa izany ! Rava tanteraka ny tranony. Aiza indray izao izy ireo no hipetraka ? Niantso azy ireo hankany aminy any Atlanta ny zanany vavy. Tsy nanana vola handoavana ny saran’ny fiaramanidina anefa izy ireo, ary ny banky rehetra nikatona avokoa.

Niezaka nanavotra fananana manokana vitsivitsy izy ireo, ary nahita sarim-pianakaviana kotsan’ny rano tao anatin’ny korontana. Rehefa nanatsoaka tamin’ny tranony ny sarin’ny rainy ilay rangahy, mba hanamaina izany, dia nisy vola nitentina 366 dolara nianjera avy tao. Izany vola izany dia nifanandrify tsara tamin’ny vidina tapakila roa amin’ny fiaramanidina handehanany ho any Atlanta ! Gaga izy ireo nahita fa toy izany no namalian’Andriamanitra ny vavaka nataony, ary nanomezany azy ireo izay zavatra tena nilainy marina. Mbola tsapan’izy ireo indray tamin’izany, fa afaka matoky Azy lalandava izy.

Isika dia tokony hianatra izany lesona momba ny fatokiana izany, toy ireo mpianatra tao anatin’ny tafiodrivotra. Nofohazin’izy ireo ny Tompo Jesosy, Izay natory teo am-bodin’ny sambo. Nitsangana avy hatrany Izy, ka teny indraim-bava no nampitoniany ny tafiotra : „Mangìna, mitsahara”. Dia nitodika tany amin’ny mpianatra Izy ary nanontany azy ireo hoe : „Nahoana no saro-tahotra ianareo ? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo ?” (Marka 4:40).