Alatsinainy 6 Febroary 2023

(Hoy Jesosy :) Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra, ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka. Lioka 15:6-7

Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. Jeremia 29:13

 

Mionòna ianao

„Misy andro isika mifoha, manontany tena hoe fa ahoana no nahatonga antsika amin’izao toerana izao. Aiza no haleha ?… Very toy ny zaza tsy mahita ny ray aman-dreniny intsony, very ka marary. Mahatsapa ho tsy manana toerana eto amin’ity tontolo ity, toy ny hoe teraka teo amin’ny toerana sy tamin’ny fotoana tsy izy… Nefa io fahatsapana ho very io, na dia tena maharary aza, dia azo heverina ho mariky ny fahasoavan’Andriamanitra. Satria izany fihetsehampo izany dia mampahatsiaro antsika fa mila an’Andriamanitra isika, toy ny hetaheta mampahatsiahy antsika hoe tokony hisotro rano.”

(araka an’i M. Riddell)

Ny fahatsapana ho very ve, tsy dingana voalohany hahitana ny famonjena ? Rehefa manosika antsika hitady an’Andriamanitra izany, dia izay no dingana faharoa. Ao anatin’izany fitadiavana izany, dia ndao hanana fatokiana, satria, voalohany indrindra, ho an’Andriamanitra isika no very. Ao amina fanoharana iray dia mametraka fanontaniana Jesosy hoe : „Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an’efitra ka mandeha hitady ilay very, mandra-pahitany azy ? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy” (Lioka 15:4-5). Trangan-javatra mahazatra no iaingan’i Jesosy, ny fahaverezana ondry iray, mba hiresahany amintsika ny fitiavan’Ilay Andriamanitra, Izay mitady antsika, ary mifaly rehefa mahita antsika.

Rehefa mihaona amin’Andriamanitra isika, amin’ny alalan’ny finoana, dia misolo fifaliana noho ny fahafantarana Azy ny fahatsapantsika ho very. Dia manjary misy dikany ny fiainantsika.

Mitady an’Andriamanitra aho, nefa Izy no efa nitady ahy. Zava-miafina, fa tsy porofon’ny fanatonan’Andriamanitra antsika ve ny fikatsahantsika Azy ? „Mionòna ianao, tsy ho nitady ahy ianao raha tsy efa nahita ahy”.

(Blaise Pascal)