Alahady 5 Febroary 2023

… nangorohoro ny fanahiny (ny fanahin’i Jesosy), ka nanambara hoe Izy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. Jaona 13:21

Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe : Vita ; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. Jaona 19:30

 

Ny maha olona an’i Jesosy (4) — Ny fanahiny

Ny fanahy no ahafahan’ny olona mifandray amin’Andriamanitra. Jesosy dia niaina tao anaty fifandraisana tsy tapaka sy feno fifaliana tamin’Ilay Andriamaniny, Ilay Rainy. Nifanaraka tsara ny fihevitr’Izy ireo. Matetika hita mivavaka Jesosy. Mivavaka Izy amina toe-tsaina midera, matoky, mankatò, ary manoa.

Ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy, ka nanandratra vavaka fiderana ny Rainy, satria talanjona sy niaiky ny fahendrena sy fiandrianan’Andriamanitra, noho ny fomba fiasany eo amin’ny olombelona (Lioka 10:21).

Vonto ny fanahin’i Jesosy ary nihetsi-po Izy, teo amin’ny fasan’i Lazarosy sakaizany, rehefa nahita ny fahefana mahatsiravina ananan’ny fahafatesana amin’ny fanahin’ny olona (Jaona 11:33).

— Taloha kelin’ny nizoran’i Jesosy ho eo amin’ny hazofijaliana, dia novoriny ny mpianany, hiara-misakafo farany aminy. Io no Paska farany hiarahany mankalaza amin’izy ireo. Zava-doza, fa niray latabatra taminy teo koa ilay mpamadika. Eny, niara-niaina taminy telo taona i Jodasy, ary noraisin’i Jesosy toy ny mpianatra sy sakaiza (Matio 26:50 ; Salamo 55:13). Nefa afaka fotoana fohy dia hamadika Azy ilay mpianany, amin’ny vola sekely telopolo ; ary fantatr’i Jesosy izany. Nangorohoro ny fanahiny, nieritreritra izany.

— Farany, nifarana ireo ora nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Niantso mafy Jesosy hoe : „Vita !” Tanteraka ny asa nankinin’Andriamanitra taminy, ary voalamina tsy iverenana intsony ny olana momba ny ota. Koa nanondrika ny lohany tam-piadanana tanteraka Izy, ary nanolotra ny fanahiny. Izany dia mbola manaporofo indray ny maha Andriamanitra Azy ; Izy mihitsy no nametraka ny fanahiny tamin’Andriamanitra, araka ny fahefany manokana.