Asabotsy 4 Febroary 2023

Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Lioka 14:17-18

(Hoy Jesosy :) Izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Apokalypsy 22:17

 

Mitady fialan-tsiny ve ianao ?

Rehefa tsy mahazo aina ny fieritreretantsika, dia mora foana amintsika ny mitady fialan-tsiny, mba hanamarinan-tena.

Efa tany am-piandohan’ny Genesisy, tao an-tsaha Edena, i Adama no niteny tamin’Andriamanitra hoe : „Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho” (Genesisy 3:12). Nanamarin-tena i Adama, ka niampanga an’Andriamanitra sy ny vadiny. Tsy mpitranga amintsika ihany koa ve izany ? Ny fo dia mamitaka sady manana aretina tsy hay sitranina, hoy ny Baiboly. Fantatsika fa hitan’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra. Koa aoka isika hahitsy eo anatrehany. Ary rehefa nanota isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika, raha miaiky izany isika (1 Jaona 1:9).

Taonjato maro tatỳ aoriana dia nasehon’i Jesosy tamina fanoharana fa zava-doza ny manao tsinontsinona ny fahasoavana atolotra antsika :

„Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe, ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy, tamin’ny fotoana fisakafoana, hilaza amin’izay efa nasaina hoe : Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Hoy ny voalohany taminy : Efa nividy tany aho, ka tsy maintsy mandeha hizaha azy ; masìna ianao, ekeo ny fandàvako. Ary hoy ny anankiray koa : Efa nividy omby folo aho, ka handeha hamantatra azy ; masìna ianao, ekeo ny fandàvako.” (Lioka 14:16-19).

Fialan-tsiny tsy misy dikany, izay tsy nahafahan’ireo olona nasaina ireo nanatrika ny fanasana !

Tian’Andriamanitra hahatakatra isika fa tsy misy na inona na inona afaka hanala tsiny antsika, raha mandà ny fanasan’Andriamanitra mba hino Azy isika. Amin’ny andro tsy maintsy hifanatrehantsika amin’Andriamanitra, dia tsy hanana fialan-tsiny isika.

„Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).