Zoma 3 Febroary 2023

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao (fahariana vaovao) izy : efa lasa ny zavatra taloha ; indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy, amin’ny alalan’i Kristy. 2 Korintiana 5:17-18

 

Fanavaozana sa fahariana vaovao ?

Maro ireo mpanohitra ny Filazantsara no milaza fa ny antony lehibe anoherany azy, dia ny tsy nitondrany na fandriampahalemana na rariny ara-piarahamonina teto an-tany. Lazaina fa ny fivavahana kristiana dia tsy nanatsara izao tontolo izao, toy ireo karazam-pivavahana hafa ihany.

Ny Baiboly anefa dia tsy mampianatra hoe tokony hanova izao tontolo izao ny Filazantsara, na tokony hampisy karazana fanavaozana ny zanak’olombelona. Tsia, tsy tonga „hanao fanavaozana” tsy akory Kristy, fa „hanao fahariana vaovao”, izay asa ara-panahy vaovao tanteraka.

Io fahariana vaovao io dia tanterahin’Andriamanitra dieny ankehitriny ao anatin’ny olona tsirairay mino ny Tompo Jesosy. Tsy momba ny hita maso izy io ; fa teraka sy mitombo ao amin’ny fiainana anaty. Tsy mifototra amin’ny tenany samirery ny mpino, fa mitodika amin’ny Tompo ; ary araka ny fitenin’ny Baiboly, dia „nateraka indray” izy. Amin’izany izy dia afaka manatanteraka ireo asa tsara efa nomanin’ny Tompo hataony (Efesiana 2:10). Raha misy zavatra tsara azon’ny mpino entina eto amin’izao tontolo izao, dia iray amin’ny vokatry ny fankatoavany an’i Kristy izany.

Andriamanitra tsy manampy ny olombelona hihatsara kokoa, satria ny toetran’izy ireo dia efa voamariky ny ota, izay tsy hainy ialana intsony : mendrika hohelohin’Andriamanitra izy rehetra. Nefa afaka ho voavonjy koa izy rehetra, amin’ny alalan’ny finoana ny asa nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Andriamanitra tsy mitady hanarina izao tontolo nandà an’i Kristy izao, fa manolotra kosa ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra mino ny Tompo Jesosy (Jaona 3:16). Amin’izany Izy dia manome azy toetra vaovao, sy ny Fanahy Masina, Izay mampianatra azy.