Alakamisy 2 Febroary 2023

Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Tesaloniana 5:9

 

Taratasy-na mpamaky iray

„Teo amin’ny faha-25 taonako aho dia nanana ny zavatra rehetra tokony hahasambatra : vady, trano, asa… ary fahasalamana. Saingy nibahana tato an-tsaiko ny fahatsiarovana ny fahazazako (havetavetana sy ady tao amin’ny fianakaviako). Nanana filàna tsy hay tohaina hanapotika ny tenako aho. Nanjary mpanitsakitsa-bady, mpandainga sy mpamitaka aho. Nisara-bady aho, ary namoy ny fananako rehetra. Dia very asa aho, ary tototra trosa. Nanaonao foana aho…

Nihaona tamin’ilay dokotera nanaraka ahy hatry ny fony kely aho, indray andro, dia nilaza taminy ny ahiahiko sao mitondra ny tsimok’aretina sida. Nampiako hoe ho fitsarana ara-drariny avy amin’Andriamanitra izany.

Kristiana izy io, ary namaly ahy hoe : „Andriamanitra dia fitiavana”. Koa nanomboka nitady an’Andriamanitra aho. Nividy Baiboly aho, saingy tsy nisy zavatra firy azoko tao. Nandeha nanatrika fotoam-pivavahana tany amin’ilay fiangonana nanaovana batisa ahy aho, nefa tsy nahita fampaherezana tany.

Efa saika hanajanona ny zavatra rehetra aho, no nampieritreritra ahy Andriamanitra, tamina andian-tantara amerikana iray tao amin’ny fahitalavitra, nisy voafonja nijoro ho vavolombelon’ny fiovany fo ho an’i Kristy, noho ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe : „Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20). Dona mafy izany, fanambarana lehibe. Eny, te hamoha ny varavarana aho hidirany, mba hiarahany amiko. Nanomboka tamin’io andro io aho dia nahita ireo zavatsoa rehetra natokan’ny Tompo Jesosy ho ahy. Nanorina indray ny fiainako aho, niaraka tamin’Andriamanitra ho Tompo-marika.”

Aurore