Alarobia 1 Febroary 2023

(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:7-8

 

Mpamangy hafahafa

Eritrereto anie, hoe mahare olona mandondòna ao am-baravaranao ianao, efa alim-be… Ahiratrao ny masonao…

— Nanonofy ve aho ? Tsia, tena mahare dondòna aho ka…

Mitsangana tampoka ianao, midobodoboka ny fonao ! Iza àry izao ? Mbola mandondòna ihany izy… Ary sao dia ilay mpiray vodirindrina, tojo zava-manahirana lehibe, na namana hamangy amin’ny alina ?

Na malina aza ianao, dia tsy tianao ny tsy hamaly filàna vonjy, na tsy handray namana hitsidika. Manontany ianao hoe iza izao, dia mamoha, ary marina ny anao.

Izany indrindra no kisarisary ampiasain’ny Tompo Jesosy, mba hanampiany antsika hahatakatra fa amin’izao fotoana izao Izy dia toy ny olona mandondòna eo amin’ny varavaran’ny fon’ny tsirairay. Ary angamba mety tsy ho voalohany izany.

Mety hotsaroanao marina tokoa fa efa imbetsaka ny Tompo Jesosy no nanatona anao, tamin’ny alalana zava-nitranga teo amin’ny fiainanao, tranga toa antso mba hisokafanao aminy. Saingy variana loatra ianao tamin’ny asanao, ny ankohonanao, ny fialambolinao … Ao indray ve Izy androany, ao ivelany ao, efa hatry ny ela ?

„Vohay Aho…” Toy ny bitsibitsika feno hatsaram-panahy izany ; tsy miantsoantso Izy, miandry am-paharetana, mitondra ny fampanantenana mahafinaritra hoe : Izay mihaino ny feoko, ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy. Ny fiaraha-misakafo amin’olona iray dia fotoana izaràna aminy ny hafaliana, alahelo, zava-manahirana. Izany no atolotr’i Jesosy anao tsy mitsahatra.

Tsia, tsy nanonofy ianao : mbola mandondòna eo am-baravaranao Jesosy androany. Matoa Izy te hiditra eo amin’ny fiainanao, dia te hanasoa anao. Vohay Izy izao !