Talata 31 Janoary 2023

Fa tokony hanana faharetana ianareo, mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Hebreo 10:36

Ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. Romana 8:18

 

Manana faharetana

Fantatry ny kristiana fa avelan’Andriamanitra hisy ny fahoriana sy ny fitsapana. Manana tanjona voafaritra mazava ny tsirairay amin’ireny, satria mahatoky Izy ary tia antsika. Na izany aza anefa, indraindray isika dia mitroatra, satria tsy mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra ao anatin’izay zava-mitranga amintsika, sady tsy manam-paharetana loatra. Tiantsika ho fantatra ny fotoana sy fomba hitsaharan’ireo fijaliantsika. Mila hery ara-toe-panahy bebe kokoa tokoa mantsy ny fiandrasana am-paharetana ny fiafaran’ireo, noho ny fihetsehana amin-kery sy am-piniavana. Io hery io anefa dia mety hitarika antsika hanasarotra kokoa ny toejavatra, na mety hahatampina lalana antsika mihitsy aza. Matetika mihitsy isika, raha mba manontany an’Andriamanitra alohan’ny hihetsehana na hitenenana, no handre Azy miteny amintsika hoe : „Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina” (Eksodosy 14:14). Ny faharetana dia fanazarantena sarotra sy mahasorena, satria mahatsiaro tena ho tsy manan-kery isika, ka mampangotsoka antsika izany. Ny faharetana anefa dia fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, sitrapo avo indrindra sy feno fitiavana. Ndao haka tahaka ny Tompo Jesosy. Fony tetỳ an-tany Izy dia niaritra ny zava-drehetra, mba hahatratra ny tanjona napetraka, dia ny hahazoany antsika ho an’Andriamanitra. Mitsahara ianao ; na oviana na oviana Andriamanitra tsy manadino anao, Ary efa akaiky ny fotoana hahatongavan’i Jesosy. Ho takatrao ny anton’ireo fahorianao teo amin’ny fiainanao, Ary ho hitanao fa ny hitahy anao no notadiaviny. Eny ! aoka anie ny finoanao hanome haja sy voninahitra An’Ilay Andriamanitra nitia anao, mba hanananao hoavy mivelatra.