Alatsinainy 30 Janoary 2023

Ny zavatra rehetra samy nataony (nataon’Andriamanitra) ho mendrika amin’ny fotoanany avy ; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Mpitoriteny 3:11

Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra. Jaona 3:31

 

Mbola tsy hitako izay notadiaviko

Izany no lohateny-na hira-na tarika mpanao rock irlandey iray tamin’ny taona 90, maneho ilay zavamisy miely fatratra iainan’ny olombelona, manana faniriana tsy mety tanteraka. Io hetaheta io dia azo heverina ho hanitra avy any amina tontolo hafa. Io dia ilay faniriana ny mandrakizay, faniriana fifandraisana amin’Ilay Mpahary antsika, faniriana fisandratana, araka izay resahin’ny Mpitoriteny eto.

Jesosy dia niresaka tontolo iray hafa, nantsoiny hoe ny fanjakan’Andriamanitra, tontolom-piainana fantany, satria nonenany mihitsy fony Izy niaina tetỳ an-tany, toy ny tamin’Izy tany an-danitra. „Fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17), ireo no „hanitra” nentiny ho antsika avy any an-danitra, avy any amin’ny fonenan’ny Ray.

Nohazavain’i Jesosy an’i Nikodemosy, mpitari-pivavahana jiosy iray, ny fomba hidirana ao amin’io fanjakana io : „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra… Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:3-5).

Io fahateraham-baovao io dia tanteraka amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra sy ny finoana ny teniny, izay ambaran’ny rano.

Anjarantsika olombelona ny mandray izany tenin’Andriamanitra izany sy mino an’i Jesosy. Tonga avy any an-danitra Izy, tsy haneho amintsika fotsiny ihany ny atao hoe fanjakan’Andriamanitra, fa koa hamoha ho antsika ny varavarana mankany. Natolony ny ainy mba ho voavela ny fahotantsika sy hahateraka indray isika ho amina fiainam-baovao. Ry mpamaky, mihoatra lavitra noho izay hanitra avy any amina tontolo hafa, ataovy hitanao ho Mpamonjy sy Andriamanitra sakaiza i Jesosy.