Alahady 29 Janoary 2023

(Hoy Jesosy :) Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko ; ary ahoana no holazaiko ? Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity ; nefa izao no niaviako, ho amin’ity ora ity. Jaona 12:27

Nanomboka nangorohoro sady ory fatratra Izy. Ary hoy Izy tamin’ireo : Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko. Marka 14:33-34

 

Ny maha olona an’i Jesosy (3) — Ny fanahiny

Matetika ireo filazantsara no miresaka momba ny fanahin’i Jesosy sy ireo fihetsehampo samihafa niainany : fiombonampo, hafaliana, alahelo, fahasahiranan-tsaina, tebiteby, fahatafintohinana, fahatezerana manoloana ireo mpanohitra Azy…

Tsy nanana ota Jesosy, ka na nifanehatra tamin’ny ratsy aza ny fahafahany ho tohina, dia tsy mba nihalefy, satria lavorary. Nameno fiombonampo tao anatiny ny fahitany ny fijaliana, nampangoraka Azy ny vahoaka noana, nitomany niaraka tamin’ireo izay nitomany Izy.

Tafintohina Izy na tezitra ara-drariny, nanoloana ny hamafisam-pon’ny olona sasany (Marka 10:14 ; 3:5).

Nanohina Azy ny fomba nandraisana Azy. Nampalahelo Azy ny tsy finoan’ny ankamaroan’ny olona, ny fandavan’ny mpiray firenena aminy, ny tsy fahatakaran’ny mpianany. Nanorotoro ny fanahiny ny tsy fahaizan’ny vahoaka nankasitraka, ny namadihan’i Jodasy, ny fandaozan’ireo mpianany, ny antsoantson’ireo rehetra nitaky ny hahafatesany, ny fahafaham-baraka noho ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana, ary zavatra maro hafa. Mifanohitra amin’izany kosa, nampahery Azy ny fahafoizan-tenan’ireo vehivavy vitsivitsy, ny tsy fivadihan’ny mpianatra sasany, ny fampiantranoan’ankohonana be fitiavana.

Rehefa nanakaiky ny hahafatesany, tao amin’ny sahan’i Getsemane, dia nambarany tamin’ny Rainy ny horohoron’ny fanahiny, manoloana ireo ora mampihoron-koditra niandry Azy (Jaona 12:27) : hitondra ny fahotantsika Izy, ary hafoin’Andriamanitra (Lioka 22:44).

Fa rehefa hivoaka ny fasana kosa Izy, ny tebiteby dia hisolo hafaliana noho ny asa vita, fifaliana noho ny fandresena sy ny fitsanganana velona indray (Asan’ny Apostoly 2:27-28).