Asabotsy 28 Janoary 2023

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18

Amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:2

 

Te hahafantatra an’Andriamanitra ve ianao ?

Misy namako iray manontany ahy matetika momba ny fisian’Andriamanitra sy ny finoako. Nanontaniako izy hoe :

— Efa nandinika voninkazo iray ve ianao ? efa nanontany tena ve hoe iza moa ianao ?… Ny hoe misy Andriamanitra dia heveriko fa mazava ho azy, nefa fantatrao ve fa nomeny fiteny ianao, hahafahanao miresaka aminy ? Ary Izy mihitsy koa no miteny amintsika ao amin’ny Baiboly. Inty, ampahany iray : „Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao”, ary —henoy tsara- : „ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao” (Hebreo 11:3).

— Mety ho marina ny lazainao, saingy tsotra loatra ; sady ny resaka finoana… tsy ao mihitsy aho.

Ny Baiboly dia manambara mazava hoe maro ireo handà ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, na eo aza ny porofo maro. Fa ho an’ireo mitady hahafantatra an’Andriamanitra kosa, dia hoy ny Baiboly : „Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra” (Jeremia 29:13).

Rehefa mandahatra hevitra momba ny fisian’Andriamanitra, milaza fa mety tsy misy Izy, dia mametraka ny tena ho ambony noho Izy.

Hafa tanteraka ny hoe mikatsaka an’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo. Io dia hoe mitodika amin’Ilay Andriamanitra hendry sy manam-pahalalana tsy hita fetra, ary tsy izany ihany, fa feno fitiavana ihany koa. Andriamanitra dia fahazavana, Andriamanitra dia fitiavana. Izy dia Andriamanitra tia, ka noho izany dia Andriamanitra eo mba hifandraisana. Raha mikatsaka an’Andriamanitra ianao, dia hahita Azy. Raha miresaka aminy ianao, dia hamaly anao Izy. Raha mamaky ny Baiboly ianao, dia hiresaka aminao Izy momba an’i Jesosy Zanany, tonga tetỳ an-tany mba „hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19:10).