Zoma 27 Janoary 2023

Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Ny safidy tsara

Ny olona rehetra dia samy mila mahita dikany ho an’ny fiainany, tanjona hotratrariny… Raha misy manontany anao hoe : „Inona no tanjon’ny fiainanao ?”, afaka hamaly azy ve ianao ?

Raha miantefa aminao io fanontaniana io, nefa tsy anananao valiny, dia taominay ianao hamaky ny Baiboly. Hasehon’Andriamanitra anao ny dikany tiany homena ny fiainanao. Izy no iandohan’ny zavatra rehetra. Raha velona isika androany, dia satria izany no sitrak’Andriamanitra ary satria manana zava-kendrena ho antsika Izy. Andriamanitra dia manana drafitra ho an’ny fiainantsika eto an-tany, sy ho an’ny any ankoatra. Ny tanjony ho antsika, voalohany indrindra, dia ny hianarantsika hahafantatra Azy. Ho amin’izany no nanehoany ny tenany tao amin’i Jesosy Zanany, Izay tonga tetỳ amintsika. Jesosy dia nanokatra ny làlana mankany amin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray. Ny fanirian’Andriamanitra amintsika olombelona dia ny hanana fifandraisam-pitiavana amintsika tsirairay. Rehefa ekenao Jesosy ho Mpamonjy sy Tompo, dia hanana sakaiza mahafantatra anao tanteraka ihany koa ianao. Sakaiza hanampy anao, hampahery anao, hitarika anao isanandro eo amin’ny fiainanao.

Ny fiainan’ny zanak’olombelona dia manomana antsika ho amin’ny mandrakizay, izay afaka hiseho amina endrika roa. Na ny olona mandroso tsy am-piheverana, ka tsy mahafantatra akory ny maha izy azy sy izay alehany. Na izy niaiky fa mpanota ary mila Mpamonjy, ka nandray ny fahasoavan’Andriamanitra. Dia mizotra mankany an-danitra izy, feno fatokiana, miaraka amin’i Jesosy Izay tia azy sy namonjy azy ho afaka amin’ny fahafatesana mandrakizay. Tsy sasatra Andriamanitra mampandini-tena ny voariny, nefa tsy manery an’iza na iza, fa manasa anao hanao ny safidy tsara.