Alakamisy 26 Janoary 2023

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka… Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao, ka manantenà Azy. Salamo 37:5, 7

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao. Isaia 41:10

 

Ireo adin-tsaintsika

Matetika ny zava-mitranga etỳ ivelany, ny fanahiana, ny ampitso tsy azo antoka, dia miteraka ao anatintsika fahasahiranan-tsaina, tebiteby, tahotra, tsy fijerena afa-tsy ny tena. Ho antsika kristiana ve, tsy midika ho tsy fatokiana an’Andriamanitra izany ? Hoy mantsy Jesosy amintsika, ao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy : „Ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa… dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy” (Marka 4:19).

Ny Tompo dia nampahery ny mpianany hoe : „Aza manahy ny amin’ny ainareo” (Matio 6:25). Tatỳ aoriana dia mbola hoy koa ny apostoly Paoly hoe : „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4:6). Ndao hiezaka tsy hanadino na oviana na oviana, fa eo ambonintsika dia misy Ray, Ilay Andriamanitra Tsitoha, miahy antsika. Ndao hiverina mandrakariva amin’ireo fampanantenan’ny Teniny, hirakitra azy ireo ao an-tsaina, mba ho eo lalandava ireo, rehefa mitranga ny tahotra na ny tebiteby. Ndao hianatra hametraka manontolo aminy ny fanahiantsika, satria Izy no miahy antsika (1 Petera 5:7). Matetika dia mifangaro amin’ireo fanahiana ny fitsiriritana, izay mangeja ihany koa ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny fanahintsika, ka manakana azy tsy „hamoa”, tsy hisy vokatra ho an’Andriamanitra. Ary raha toa ny saintsika mitebiteby lalandava momba ny hoavy, miady amina zava-tsarotra isan-karazany, dia tsy afaka hahatsapa ny fiadanan’Andriamanitra.

Maro ny mpino efa niaina ny zava-mahasoa hoe : „Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” (Salamo 94:19).