Alarobia 25 Janoary 2023

Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala ; na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volonondry fotsy. Isaia 1:18

Ny ran’i Jesosy… no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Mena manjary fotsy

Nivoaka i Tom io hariva io… Teny an-dalana dia nisy trakitra natolotra azy. Sady nandeha izy no nanopy maso tamin’ilay trakitra : Inona hono no lazainy ? „Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala”. Mahamay izany ! Somary nanebaka kely izy, nandeha hatrany ary nanisika ilay trakitra tany am-paosiny, nefa lasa eritreritra ihany :

— Ny fahotako hoe… Hay moa, ny Baiboly izay ; saingy izaho tsy kristiana…

— Sady izaho koa tsy nino ny Baiboly mihitsy e, na nino ny Andriamanitry ny Baiboly. Ary miankina amin’ny tsirairay koa izany hoe fahotana izany e. Izaho tsy mba namono olona…

Na izany aza anefa, dia niverimberina tao an-tsain’i Tom ilay hafatra. Niezaka namafa izany izy, niezaka nanohitra, saingy tsy nety.

Mbola nivoaka indray i Tom androany, ary nandalo teo akaikina trano fivavahana iray. Liana izy ka niditra. Inona no mba mety holazain’ireto olona ireto ? Ilay teny efa hainy sy tsy nety nampandry saina azy indrindra no nohazavain’ilay mpandaha-teny : „Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala”.

— Henjana izany ! Tena manenjika ahy Andriamanitra… hoy izy anakampo.

Vao mainka izy nihaino tsara : Nanota hoe ny olona rehetra ? Ny ran’i Kristy nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana irery ihany hoe no afaka mamafa ny fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ? Ambonin’izany, ny finoana Azy fotsiny hoe dia ampy handraisana ny famindrampon’Andriamanitra sy haha voasasa amin’ny fahotana ka hampanjary „fotsy” ?

Io hariva io ihany i Tom dia nanondrika ny lohany, ary nino fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy, hamonjy azy. Fotsy, eny, mihoatra noho izany aza, marina. Feno fiadanana tanteraka izy, nanatrika an’i Jesosy Izay nitia azy, nitady azy, nahita azy, ary namonjy azy.