Talata 24 Janoary 2023

Ny Mpanao ny sofina va tsy handre ? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita ?… Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona. Salamo 94:9, 11

Ry Mpihaino vavaka ô… Salamo 65:2

Ary ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza. Genesisy 21:17

 

Mihaino antsika Andriamanitra

Ilay Andriamanitra nahary antsika dia nahary koa ny fitenintsika. Mihaino antsika Izy, ary mahatakatra ny manjo antsika. Eny, ren’Andriamanitra ny antsoantso-na zaza, ny vavaka maika, izay mety ho fampiakarana ny fanahy any aminy, amin’ny fahatongavan-tsaina, na ao anaty fifaliana na tomany, hatramin’ny bitsibitsiky ny olona lany hery.

Ny vavaka henon’Andriamanitra sy andrasany dia tsy ny famerenana fehezanteny vitsivitsy nianarana ary averimberina tsy amin’ny fo akory.

Ny hoe mivavaka dia miresaka amin’Andriamanitra, toy ny zaza miresaka amin’ny rainy, am-pitokiana, am-panetrentena, am-panajana. Afaka miara-miresaka amin’ny Tompo, na olona an-tapitrisany aza, avy any amin’ny tany rehetra, satria lavorary ny fahalalany, ka tsy misy fisainan’olona, na iray aza, tsy ho fantany. Salamo maro no manamarina izany : „Ianao… mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny… Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô” (Salamo 139:2-4). „Eny an-danitra no itsinjovan’i Jehovah, mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy” (Salamo 33:13).

Ny hoe mivavaka dia maneho amin’Andriamanitra ny fahoriantsika, ny filantsika, ary koa misaotra Azy. Izany dia fananana fahazoana antoka fa mihaino Izy ary hamaly mba hahasoa antsika, satria fantany tsara izay mahasoa ireo miresaka aminy. Miteny amintsika Izy amin’ny alalan’ny Baiboly, nefa tiany koa isika hiteny aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Andriamanitra dia fitiavana, ary porofon’izany ny fihainoany antsika.

Ny kristiana dia afaka mivavaka amin’ny Tompo Jesosy, Izay Andriamanitra sady Olona. Izy mihitsy dia mampirisika ihany koa ny olony hiresaka mivantana amin’ny Ray, amin’ny anarany, satria „ny Ray dia tia anareo” (Jaona 16:27).