Alatsinainy 23 Janoary 2023

Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô ? Ianao no antenaiko. Salamo 39:7

Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô. Salamo 119:166

 

Fanantenana ho an’ireo tsy manana fanantenana

Efa very ny zava-drehetra, ho anao… mihevitra angamba ianao fa efa nandeha lavitra loatra, na latsaka ambany loatra, ka tsy misy olona afaka hahatakatra izay manjo anao na hanampy anao. Milanja io enta-mavesatra io ianao, satria nisy tsy fahombiazana, na fahadisoana, na fahapotehana eo amin’ny fiainanao manokana, na eo amin’ny fiainanao ara-pianakaviana na araka asa. Heverinao ve fa nahavita zavatra tsy azo arenina intsony ianao ? Raha izany mantsy, avelao aho hiresaka aminao momba an’i Kristy, Ilay mpiara-dia amiko !

Na inona na inona fiheveranao ny tenanao, na inona na inona fiheveran’ny olona hafa anao, dia fantaro fa tia anao Jesosy. Miandry fihaonana avy aminao Izy, araka ny maha ianao anao, mahatsapa tsara izay ataonao, na dia tsy zakanao intsony aza ny mijery ny tenanao. Kristy dia mihaino izay miaiky ny fahadisoany, ary mitarika azy hahatsapa ny naniratsirany an’Andriamanitra. Tolorany herimpo izy mba hibebaka an-kitsimpo, noho izany. Andriamanitra mihitsy no mampahery azy ho amin’izany sy mamela ireo fahadisoany. Andriamanitra, Izay mamotsotra heloka, dia manafaka sy mampitraka eo amin’ireo toejavatra manjombona indrindra.

Kristy dia nanolotra ny ainy ho an’ny olona rehetra. Maty voahombo teo amin’ny hazofijaliana Izy, ho ahy sy ho anao. Natrehiny ny fanilihan’izao tontolo izao, ny fankahalana sy ny tsy fahamarinan’ny olona ; nambaniana Izy, nilaozan’ny rehetra. Nony farany Izy dia naharesy ny fahafatesana, nitsangana velona indray ; ary mbola manankery ho ahy sy ho anao ireo tranga ireo. Tonga tetỳ an-tany Jesosy, ho an’ireo miaiky fa very. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, Jesosy dia nampanantena ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, ho an’ny iray tamin’ireo olon-dratsy nohomboana teo anilany, dia tamin’ilay nahita Azy ho Ilay Mpamonjiny.

Ianao koa dia afaka manao toy izany, mahazo famotsoran-keloka tahaka izany, ary mahita fanantenana mitovy amin’izany.