Alahady 22 Janoary 2023

Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy (Jesosy), dia nanao hoe : „Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy”. Hebreo 10:5

Izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy. Hebreo 10:10

 

Ny maha olona an’i Jesosy (2) — Ny vatany

Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nandray „nofo aman-dra” (Hebreo 2:14), naka vatana tena azo tsapain-tanana.

Notorontoronin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria virijina Izy (Lioka 1:31, 35), namboarin’Andriamanitra ny tenany (Hebreo 10:5). Nateraky ny reniny Jesosy, nampinonoiny ary nokarakarainy. Nihalehibe Izy, nanjary ankizy, tovolahy, dia olon-dehibe. Namakivaky ireo lalana tao amin’ny taniny ny tongony. Nanana maso sy sofina ary vava Izy, mba hijereny sy hihainoany ary hampiononany ireo rehetra nijaly. Nanasitrana ny marary ny tanany, nitrotro ankizy ny sandriny. Nandohalika Izy rehefa hivavaka. Noana sy nangetaheta Izy, sasatra, natory…

Nanaiky hosamborin’ireo fahavalony Izy. Nofatoran’izy ireo, nokapohiny, nasiany tehamaina… Nororaina Izy. Nanaiky hohomboana eo amin’ny hazofijaliana Izy, nanolotra ny tenany ho sorona. Voatrobaky ny fantsika ny tanany sy ny tongony. Naseho niharihary teo amin’ny hazofijaliana ny vatany. Nifampizarana ny fitafiany.

Avy eo Jesosy, nandritra ora telo maizina, dia „nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2:24).

Farany dia maty Izy, ary nanondrika ny lohany (Jaona 19:30). Notsindronina miaramila iray tamin’ny lefony ny lanivoany. Nikoriana avy teo amin’io ratra io ny ra. Dia nampidinina avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatany, nofonosina lambam-paty, ary napetraka tao amina fasana.

Nefa tsy mba tratran’ny fahalovana ny vatany. Tamin’ny andro fahatelo Jesosy dia nandao ilay fasana, ary niseho, velona, tamin’ny mpianany, nandritra ny 40 andro. Nasainy nokasihina ny vatany nitsangana tamin’ny maty. Ary tao anatin’io vatana io no niakarany any an-danitra (Lioka 24:51).