Asabotsy 21 Janoary 2023

Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:8

Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo (ny vatana) dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ny tena fitiavana

Hoy ny hiran’ny Beatles fahiny : „Fitiavana no hany ilainao”. Mikororosy fahana isika raha tsy misy fitiavana. Nefa inona moa no tena fitiavana, ary aiza no hahitana azy ? Toy izao no anehoan’ny Baiboly izany :

„Ny fitiavana, mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana, tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana, tsy ho levona mandrakizay ; fa raha ny faminaniana, dia ho levona ; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra ; na ny fahalalana, dia ho foana” (1 Korintiana 13:4-8).

Ny fitiavana dia ny mifanohitra amin’ny faniriana mihoa-pampana hanararaotra, hanjakazaka amin’ny fananana na amin’ny olona. Ankoatra izany, ireo marika fitiavantena ireo dia matetika no te hiseho ho fanolorana fitiavana. Tsia, fa io fitiavana sandoka io dia mahatonga hahatsapa tena ho nofitahina na diso lalana.

Ny tena fitiavana, tsy mamitaka na mandiso fanantenana mihitsy, dia ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavana mahatanteraka ny andalan-tSoratra masina etsy ambony. Io no fitiavana niainan’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, teto amin’izao tontolo izao. Tsy vitan’ny hoe niresaka momba io fotsiny Izy, fa niaina izany mihitsy mifanaraka amin’ny teniny, ary nampiseho izany miharihary hatramin’ny farany, rehefa maty ho antsika teo amin’ny hazofijaliana. Ny loharanon’ny tena fitiavana dia ao amin’i Jesosy. Fenon’izany ny olona tsirairay, raha mino marina fa Jesosy dia maty nisolo toerana azy, ary koa raha vonona haka tahaka Azy : „Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:12-13).