Zoma 20 Janoary 2023

Fa efa nomena fahasoavana ianareo, noho ny amin’i Kristy… ny hino Azy. Filipiana 1:29

Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32

 

Fijoroana ho vavolombelona avy any Chili (2)

„Tamin’izany fotoana izany dia nifanena tamin’i Clara aho. Takany ny nahazo ahy, satria izy koa dia nilaozan’ny reniny ary notezain’ny renibeny. Tafalatsaka lalina tao anatiny ny fahatsapana ho nafoy.

Taorianan’ny fanambadianay, dia nanasa ahy ny reniko hihaino mpitoriteny kristiana iray tany Buenos Aires. Nositranin’ny Tompo ny hazondamosiko tamin’io andro io.

Herintaona taorianan’izany dia nandray an’i Kristy ho Mpamonjiko aho, ary nisy fahagagana nitranga, tamin’izay. Ahoana no hanazavana izany ? Toy ny hoe nanenika ny fiainako lasa sy ankehitriny manontolo ny fitiavan’Andriamanitra. Nisy enta-mavesatra niala avy teo an-tsoroko. Afaka namela heloka ny reniko tamin’ny foko manontolo aho ; nanjary afaka nijery azy toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga teo aminay. Nianatra nitia azy sy nahatakatra izay nahazo azy aho : tsy izaho irery no nijaly.

Tena fanamby lehibe tamiko ny nandeha nitsidika ny raibe sy renibeko ary ireo dadatoako, nefa rehefa nivavaka mafy aho, dia nandeha nijery azy ireo. Nangataka famelan-keloka tamin’izy ireo aho, noho ny lolompo tao amiko, ary nangataka azy ireo mba hanadino izany rehetra izany. Lehibe izaitsizy ny vokatry ny fiovana teo amiko, ka taorianan’izany dia nanatona an’i Jesosy koa izy ireo ary nanaiky Azy ho Mpamonjiny sy Tompony. Mbola notoloran’Andriamanitra fanomezana iray hafa aho. Hitako indray i Raül rahalahiko. Nahafinaritra erỳ ny namihina azy sy niresaka taminy momba ny fitiavan’Andriamanitra.

Fifaliana ho an’i Clara ihany koa ny nitondra ny hafatra mitory famelan-keloka sy famonjena tamin’ny fianakaviany manontolo.

Eny, nataon’ny Tompo toy ny nahita indray izay efa verinay izahay, dia ny fianakavianay sy ireo fifandraisana tafaverina indray. Ambonin’izany, dia nomeny ahy sy Clara, ny hino sy ho tia Azy.”

Mario