Alakamisy 19 Janoary 2023

Ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy ; fa Jehovah kosa no mandray ahy. Salamo 27:10

Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy… ? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatànako ianao. Isaia 49:15-16

 

Fijoroana ho vavolombelona avy any Chili (1)

„Teraka tany Chili aho. Ny raiko dia mpimamo ary namono mafy anay. Indray andro dia lasa nandeha ny reniko, ary nitondra ny zandriko lahikely niaraka taminy. Vao dimy taona aho tamin’izay. Nihazakazaka nankany amin’ny raibeko sy renibeko aho, avy eo nankany amin’ireo dadatoako, mba hitady fanampiana, saingy nanilika ahy avokoa izy rehetra. Koa nanapa-kevitra handositra aho. Nandritra ny efa-taona dia ny arabe no tranoko. Nony farany dia nentina tany amina trano fitaizana zaza kamboty aho, nefa nila ho ratsy kokoa ny toejavatra niainako, voamariky ny herisetra sy ny vono. Rehefa telo ambinifolo taona aho dia nandositra ary nirenireny nandritra ny roapolo andro, tena very tanteraka.

Indray hariva, nandeha tamina lalan-kely maizimaizina izay aho, no nahita vehivavy iray nanatona ahy… Ny reniko io ! Tsy nahita azy aho nandritra ny valo taona, nefa tadidiny, ary nentiny niara-nipetraka taminy sy ny raikeliko ary ny anabaviko.

Izay aho vao nanana trano fonenana. Saingy nanomboka nanana olana ara-pahasalamana aho. Nivokoka aho, ary zara raha afaka nandeha. Nodidina aho, ary nijanona herintaona mahery tany amin’ny hôpitaly.

Nihatsara tsikelikely ny toe-batako, saingy nanjary azona hakiviana mafy aho, ka nieritreritra hamono tena.

Tamin’izany fotoana izany dia nahafantatra ny Tompo Jesosy ny reniko sy ny raikeliko ; ary nanomboka niresaka tamiko momba ny fitiavan’Andriamanitra ny reniko. Tsy haiko hazavaina, fa nivadika ho fankahalana sy lolompo ilay fitiavako ny reniko. Hoy aho taminy : Aza miresaka fitiavana amiko ianao, nandao ahy nandritra izay taona marobe izay.”

(rahampitso ny tohiny sady farany)