Alarobia 18 Janoary 2023

Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao ; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. Salamo 55:22

Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

 

Esory ny entana manavesatra anao

Nitondra fiara teny amina lalana tany ambanivohitra ity lehilahy iray, no nahita vehivavy zokiolona nibaby kitapo mavesatra. Nijanona izy mba handray azy ho ao anaty fiara, ka niakatra tao aoriana ilay ramatoa sady nisaotra azy.

Fotoana kely taorianan’izany anefa dia nahatsikaritra zavatra hafahafa ilay mpamily : mbola nohazonin’ilay vehivavy teny am-babeny ihany ny kitapony. „Ramatoa ô, azonao apetraka anie ny entanao e, mba hanala sasatra anao. Manandràma miala volivoly kely”.

Fanaontsika koa, matetika, io fihetsika mahatsikaiky io, ry kristiana namana. Ataontsika ahoana ny enta-mavesatry ny tahotra, tebiteby ary fanahiana entintsika matetika ? Tokony hitsahatra eo amin’i Jesosy isika, nefa dia mihazona eo an-tsoroka, toy ity vehivavy ity, ireo enta-mavesatra tokony hapetratsika aminy, satria Izy efa niteny tamintsika hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).

Mihevitra ve ianao hiatrika samirery ireo fitsapana hihatra aminao anio ? Ny sorokao ve tianao mbola ho mongomongon’ny enta-mavesatra manindry anao ? Ialao izany hadalana izany. Lazao manontolo amin’ny Tompo ny fahorianao, ary apetraho aminy. Aza apetraka eo amin’ny tany ny enta-mavesatrao, mba holanjainao avy hatrany indray ; fa apetraho amin’ny Tompo, ary avelao aminy indray mandeha tsy miverina. Dia handeha toy ny mpino falifaly ianao, afaka nanomboka teo tamin’ny adin-tsainao, ka hihira fiderana ho an’ny Tompo Jesosy.

araka an’i Charles Spurgeon