Talata 17 Janoary 2023

Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:6-7

 

Ny fifandraisako amin’Ilay Andriamanitro

Eny, Ilay Andriamanitra mahery indrindra dia misy, ary liana ny amiko ! Tia ahy Izy, eo Izy rehefa mahazo ahy ny tebiteby ka manjary fitarainana ireo vavaka ataoko. Eo Izy araka ny halehibeny, ny fitiavany, ary mahatoky lalandava. Te ho tompon’ny fiainako Izy, ary tiany hiaiky am-panetrentena aho fa Izy, ary Izy irery ihany, no miandraikitra ny voariny sy ny hoaviny. Ary izaho dia „voariny” !

Ho an’ireo rehetra tsy mijery afa-tsy ny tenany sy ny olany, ho an’ireo rehetra kikisin’ny fanahiana sy matahotra ny ampitso, dia manome valiny mampitolagaga ny Baiboly hoe : „Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra ; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony… fa tsara Jehovah ; mandrakizay ny famindrampony” (Salamo 100:3, 5).

Andriamanitra no Mpahary antsika, Izy no Tompontsika, nefa Tompo tena tia sy manao ny tsara ! Andriamanitra no Mpiandry antsika, ka mikarakara antsika. Andriamanitra dia Ray, nanome ho antsika Mpamonjy, Izay tsy iza fa ny Zanany Lahitokana. Andriamanitra irery no mahay manafaka antsika amin’ireo tebitebintsika, raha mitodika aminy isika. Ary raha mitahiry fahotana aho ato anatiko lalina ato, dia tiany hampiana mba hiaiky izany, mba ho voavela heloka sy ho afaka.

Andriamanitra no valin’ny olako sy ny fikorontanan-tsaiko. Te ho ivon’ny fiainako Izy, mba hahafahako mivavaka aminy am-pifaliana sy am-panantenana : „Ray ô, lehibe noho ireo ahiahiko lehibe indrindra Ianao, ary te hiantsoroka izany. Ampianaro aho hanoa anao sy hatoky tanteraka anao”.