Alatsinainy 16 Janoary 2023

(Hoy Jesosy :) Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. Jaona 12:46

 

Mikatsaka hihaona amin’Andriamanitra ve ?

„Nampieritreritra ahy ny fiovana tsara hitako teo amin’ny vadiko, taorianan’ny niovany fo ho an’i Kristy, ka niantehitra tamin’ny fianarako momba ny lalàna sy ny traikefako maha mpanao gazety aho, nandany roa taona nanadihady momba ny fitombin’ny finoana kristiana. Raha mpamitaka Jesosy, dia tsy mahaliana ahy ny finoana kristiana. Nefa nitombo hatrany ireo porofo manohana ny Baiboly, ka nanjary nanontany tena aho hoe : „Raha tena misy Andriamanitra, nahoana aho no tsy mitady izay hihaonako aminy ?”

Indray alahady tolakandro, irery tao an’efitranoko aho, namarana ny fanisana ireo porofo sy lahakevitra hitako, manohana na manohitra ny finoana kristiana, ka tonga tamin’ny fehin-kevitra mirona ho an’i Kristy.

Tamina fomba saro-pantarina, nony tonga saina aho fa velona Andriamanitra, dia nahatsapa lalina ny haloton’ny foko. Ny fiainako dia simba tanteraka noho ny avonavona, ny zava-pisotro mahamamo, ny halotoam-piaina, ny fanazimbana, ary ny fanomezako ho an’ny tenako ny toerana voalohany.

Ny tiako ho natao dia ny hitsoaka hihazakazaka, handositra ny fahazavan’Andriamanitra, handositra io faharesen-dahatra mampivarahontsana hoe mpanota io. Ny nanakana ahy dia ilay tenin’ny Filazantsara henoko teo aloha, hoe : „Fa izay rehetra nandray Azy (Jesosy Ilay fahazavana) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12). Andriamanitra ô, hoy aho nivavaka, tototry ny fahotako aho. Miangavy Anao aho, mba diovy anie aho, ovay aho, tariho aho, ampiasao aho.

Namaly ny fivavako Andriamanitra. Namela heloka ahy Izy, ary nanokatra varavarana mba hanompoako Azy, nitarika ahy ho amina lalana tsy nosaintsainiko mihitsy.”

Lee Strobel