Alahady 15 Janoary 2023

Iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo. 1 Timoty 3:16

Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy (Jesosy). Hebreo 2:14

 

Ny maha olona an’i Jesosy (1)

Rehefa noforonin’Andriamanitra ny olona voalohany, dia nomeny vatana, fanahy ary saina. Ireo singa telo ireo no mandrafitra ny olombelona manontolo. Ny vatana dia ilay ampahany azo tsapain-tanana ; ao aminy ny fanahy sy ny saina, izay singa roa mifamatotra mafy ka sarotra avahana (Hebreo 4:12). Ny fanahy no itoeran’ny fihetsehampo, ary ny saina no itoeran’ny eritreritra. Amin’ny alalan’ny fanahiny no ahafahan’ny olona mifandray amin’Andriamanitra, ary izany no mampiavaka azy amin’ny biby.

Rehefa tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanjary „manam-pitoviana amin’ny olona” (Filipiana 2:7). Toy ny olona rehetra, dia nanana vatana Izy, ary nanana fanahy sy saina ihany koa. Na izany aza anefa, dia nisy fahasamihafana, ary fahasamihafana tena lehibe : nifanohitra tamin’ny taranak’i Adama rehetra, izay mpanota, dia tsy mba nanana ota Jesosy (Hebreo 4:15 ; 1 Jaona 3:5 ; 2 Korintiana 5:21).

Hodinihintsika ireo fanambarana samihafa omen’ny Baiboly momba ny vatana, ny fanahy ary ny saina nananan’i „Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2:5). Lohahevitra mendrika fanajana faran’izay lehibe izany, satria na dia nanjary olona aza Jesosy, dia nitoetra mandrakariva ho Andriamanitra (Kolosiana 2:9). Zava-miafina lehibe ny fikambanan’ny maha Andriamanitra sy ny maha olona, ao amin’ny tenan’i Jesosy : „Tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray” (Matio 11:27). Tsy afaka hahatakatra ny zavatra rehetra isika, koa aoka handray tsotra fotsiny, amin’ny finoana, ny fanambaran’ireo filazantsara, sy izay asehon’ny Fanahin’Andriamanitra antsika, momba Ilay „Andriamanitra… naseho teo amin’ny nofo”.

(tohiny amin’ny alahady 4 manaraka)