Asabotsy 14 Janoary 2023

Tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. 1 Jaona 5:11

 

Manalava ny fotoana iainana

Tao anatin’ny taona vitsivitsy izao, dia malaza ny fimatimatesana hanohitra ny fahanterana. Miha mitombo ny faniriana hijanona ho tanora, hiaina lavalava kokoa ; ka manoloana izany, dia miasa mafy ireo mpahay siansa, mpitsabo, mpivarotra, mba hahita fomba hanemorana io fahanterana mitondra antsika ho amin’ny fahafatesana io.

Saingy hadino ny tena zava-dehibe : Andriamanitra irery no tompon’ny fiainantsika. Izy no mamaritra ny faharetany : „Indro, efa nataonao vodivoampelatanana ny androko” (Salamo 39:5). Izy irery no mahalala izay tena ilaintsika, ary Izy irery koa no mahay manome izany. Manambara ny Baiboly hoe : „Fa ao aminao no misy loharanon’aina” (Salamo 36:9) ; „Fa Izy (Andriamanitra) no ivelomantsika sy ihetsehantsika” (Asan’ny Apostoly 17:28). Ndao hihaino tsara izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hampandini-tena antsika ireo fampanantenany sy fampitandremany. Io Teny io irery no milaza amintsika ny fomba handraisantsika ny fiainana mandrakizay, omen’Andriamanitra ho an’izay mino etỳ an-tany fa Kristy dia maty noho ny fahotany.

Firy taona no azonao antenaina manokana, hanalavana ny fiainanao amin’ny ezaka ataon’olombelona ? Ary aorianan’izany… inona no tohiny ? „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Tsy ny hampatahotra anao ny fahafatesana tsy akory no tanjonay —na dia zavamisy aza ny fahafatesana-, fa ny hampahafantatra anao ireo tenin’i Jesosy manoloana ny fahafatesana : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ?” (Jaona 11:25-26).