Zoma 13 Janoary 2023

Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ny fialànareo rehetra amin’ny faharatsianareo isambatan’olona. Asan’ny Apostoly 3:26

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jaona 3:17

 

Fifanenana tsy nampoizina

Septambra 2017. Tsy maintsy hanao dia lavitra amina moto Rakoto, any amina faritra iray anjakan’ny dahalo. Reraka izy, nandeha ora maro tam-pitandremana fatratra tamina lalana sarotra, ka nanapa-kevitra hiala sasatra kely. Toa tsy nisy mponina ilay toerana ; nitsotra teo ambany alokaloka hazo iray izy, ary raiki-tory avy hatrany. Fotoana fohy taorianan’izany dia nitsamboatra izy, taitra ! Nisy lehilahy iray, niondrika nijery azy. Niarina avy hatrany Rakoto, nitebiteby. Nefa nanome toky azy ilay olona, fa tsy hanisy ratsy azy tsy akory :

— Ohatra ny tadidiko ianao, hoy izy. Raha taloha, dia ho nohararaotiko ny torimasonao mba hanafihana anao sy hanendahana ny zavatra rehetra eny aminao… Saingy tany an-tranomaizina aho tamin’ny taon-dasa, no nandalo ianao mba hiresaka aminay momba an’i Jesosy sy ny fitiavany… Nametrahanao alimanaka ara-Baiboly ny efitranokely tsirairay. Afaka namaky andalana vitsivitsy tamin’izy io aho, ka nahita fanazavana amina fomba vaovao tanteraka fa tokana aman-tany eo imason’Andriamanitra isika tsirairay ! Tsy noheveriko velively fa tonga Jesosy mba „hitahy antsika”, „hamonjy antsika fa tsy hitsara antsika”, ary koa „hampiala antsika tsirairay amin’ny haratsiam-panahy” !

Nifikirako ny fiheverana hoe afaka hahita eo anilany, isanandro, ny hery mba hiainako amina fomba vaovao, mba tsy hahalavo ahy indray amin’ireo fahadisoako taloha !

Marina ny voalazan’io mpangalatra fahiny io. Lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly fa tsy sitrany ny hahafatesan’ny meloka, fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny, mba ho velona izy (Ezekiela 33:11).

Ny dingana voalohany dia ny mino Azy, matoky Azy ; ary avy eo, mahalala ny fomba hahafahan’i Jesosy manova ny fiainantsika sy tiany hanaovana izany !