Talata 10 Janoary 2023

(Hoy Jesosy :) Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Jaona 10:27-28

Mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3

 

Iza no hohenoina ?

Sasatra ve ianao ? Mankanesa eo amin’Ilay tsy mba mety ho sasatra. „Mampahatanjaka ny reraka Izy” (Isaia 40:29).

Mamoy fo ve ianao ? Mankanesa eo aminy. Ilay „Andriamanitry ny fanantenana” dia hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra, raha mino Azy ianao (Romana 15:13).

Manirery ve ianao, nilaozana ? Mankanesa eo aminy. Izy no „Rain’ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena… Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena” (Salamo 68:5-6).

Ao anaty haizina ve ianao ? Mankanesa eo aminy, satria Izy no fahazavana. Hoy Izy : „Izay manaraka Ahy, tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Mieritreritra ny fahafatesana ve ianao ? Mankanesa eo aminy, Izy no fiainana mandrakizay. Nanambara ny tenany Izy hoe Ilay Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny, mba hananan’ireo fiainana „be dia be” (Jaona 10:10-11).

Tia anao Andriamanitra. Tsy manan-tsahala ianao, ary sarobidy eo imasony. Fantany ny momba anao manontolo.

Nomeny Jesosy Kristy Zanany malalany, mba hanadio anao sy hahasambatra anao eo anatrehany. Mba hanadio anao tamin’ny rany, ho afaka amin’ny fahotana rehetra, no nahafatesan’i Jesosy. Ankehitriny Izy dia efa nitsangana tamin’ny maty ary velona mandrakizay. Jesosy dia manana ny aina ao aminy, ary manome maimaimpoana ny fiainana mandrakizay ho an’izay mino Azy. Koa afaka amin’ny tahotra ny fahafatesana izay mino, ary manana ny fiainana miaraka aminy ho mandrakizay (Jaona 5:24). Dieny ankehitriny Jesosy dia te hampisy dikany ny fiainanao. Vakio ny Filazantsara, dia ho hitanao hoe dikany inona.