Alarobia 11 Janoary 2023

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18

(Hoy Jesosy :) Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Lioka 10:21

 

Te hahita an’Andriamanitra amin’ny endriny aho

Nisy zazavavy kely iray, niresaka an’Andriamanitra, niziriziry hoe : „Izaho mba tena te hahita Azy mihitsy. Mba tiako ny hahita an’Andriamanitra toy ny olona manana endrika”. Ny nolazainy tamin’izany dia ilay faniriana tsotra izao, nobitsibitsihina na notononin’olona maro hatry ny ela. Ny Baiboly dia manamarika tsara fa tsy misy mihitsy olona nahita ara-bakiteny an’Andriamanitra, na afaka hahita Azy (Eksodosy 33:20 ; Jaona 1:18), satria „Andriamanitra dia fanahy” (Jaona 4:24 ; 1 Timoty 1:17). Nangataka tamin’Andriamanitra i Mosesy mba hahita Azy, ka novaliany hoe : „Hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tànako ianao mandra-pandaloko. Dia hanaisotra ny tànako Aho, ka hahita ny vohoko ianao ; fa ny tavako (ny endriko) tsy ho hita.” (Eksodosy 33:22-23).

Nefa io Andriamanitra tsy hitan’ny mason’olombelona io, Ilay Hery ambony indrindra, Mpahary izao rehetra izao, dia azo nojerena toy ny olona, tetỳ an-tany : nampamirapiratra ny fahalalana ny voninahiny Izy, teo amin’ny tavan’i Kristy (2 Korintiana 4:6). Zava-miafina tsy takatry ny saina izany ! Filipo, iray tamin’ny mpianatr’i Jesosy, dia niteny taminy hoe : „Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay”. Dia hoy Jesosy namaly azy : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray… Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko ?” (Jaona 14:8-10).

Izao no vaovao mahafaly : tao amin’i Jesosy no nahafahana nahita an’Andriamanitra „toy ny olona manana endrika”. Ary isika dia nomen’Andriamanitra filazantsara efatra, izay fanambarana mazava sy amin’ny antsipiriany ahafahantsika mahita ny fiainan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy.