Alatsinainy 9 Janoary 2023

Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana (eo amin’ny hazofijaliana) ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Jaona 3:14-15

 

Ilay hazofijaliana mijoro

Nampitain’ny haino aman-jery ny firehetana mahatsiravina nandravarava ny katedraly Notre-Dame tao Paris, tamin’ny volana avrily 2019. Ireo sary nalaina tao anatin’ilay tranobe, taorianan’ny firehetany, dia nampiseho tany feno korontam-bato amam-biriky, fa teo afovoany kosa dia nisy hazofijaliana iray, nijoro tsy voatohintohina.

Na eo aza ny fikorontanana mianjady amin’ity tontolo misy antsika ity, ny zava-mampanahy ara-toekarena, ny fiovaovan’ny toetrandro, ny valan’aretina, ny herisetra ary olana marobe hafa, dia misy hafatra iray azo antoka sy tsy miova, dia ilay ambaran’io hazofijaliana mijoro io indrindra !

Maherin’ny 2000 taona lasa izay, Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga teto amin’ity tany ity. Tamin’ny fiafaran’ny fiainany masina sy madio teo imason’Andriamanitra, natokany manontolo ho an’ny olombelona, dia nohomboan’izy ireo teo amina hazofijaliana Izy. Fankahalana no namaliana ny fitiavany (Salamo 109:5). Avy eo, nanomboka tamin’ny mitataovovonana ka hatramin’ny telo ora tolakandro, talohan’ny nahafatesany, Jesosy dia niharan’ny famaizan’Andriamanitra sahaza ny fahadisoantsika.

Raha mino aho fa nofaizina Jesosy, nisolo toerana ahy teo amin’ny hazofijaliana, dia voavela ny heloko. Izany no hafatra mbola ambara mandraka ankehitriny. Efa nambara mialoha izany (jereo ny andininy androany). Ho famaizana noho ny fahotana iray, dia maty ireo Zanak’Israely voakaikitra menarana misy poizina (Nomery 21:6-9). Fa Andriamanitra kosa, noho ny fahasoavany, dia nanolotra fomba hamonjena azy ireo : sitrana izay nijery ilay menarana varahina nahantona teo amina hazo lava.

Toy izany koa ankehitriny, Jesosy, Izay „nasandratra” teo amin’ny hazofijaliana, dia mamonjy izay olona mijery Azy. Io hafatra mbola „mijoro” io dia miantefa amin’ny olona rehetra.