Alahady 8 Janoary 2023

Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko ; avy aminy ny famonjena ahy. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy hangozohozo loatra aho. Salamo 62:1-2

Amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo. Isaia 30:15

 

Miantombena amin’Andriamanitra ianao

Eny, miantombena amin’Andriamanitra irery ianao, ry fanahiko ; Eo Jesosy, eo anilanao mandrakariva, Ao anatin’ny fahoriana, ao anatin’ny ranobe, ao anatin’ny lelafo, Dia te hitrotro anao ny fitiavany feno tambitamby. Raha mamolavola sy mitsapa anao Andriamanitra, ry fanahiko, Dia mitondra anao mankany amin’ny fahasambarana.

 

Miantombena ianao, am-piadanana sy am-patokiana, Avelao Jesosy hikarakara izay hahasambatra anao. Tsy niova ny fanampiany tamin’ny lasa, Mbola ho mpitari-dalana anao sy Mpamonjinao hatrany Izy. Toy ny fahiny, ilay feony hentitra sy mahery Dia hampitony ny onja misamboaravoara mafy.

 

Miantombena ianao, tsy manadino anao na oviana na oviana Andriamanitra, Ary efa akaiky ny fotoana hahatongavan’i Jesosy. Ho takatrao ny anton’ireo fahorianao teo amin’ny fiainanao, Ary ho hitanao fa ny hitahy anao no notadiaviny. Eny ! aoka anie ny finoanao hanome haja sy voninahitra An’Ilay Andriamanitra nitia anao, mba hanananao hoavy mivelatra.
(Antsa sy Fiderana)