Asabotsy 7 Janoary 2023

Ny olona [ireo marary] nangataka (tamin’i Jesosy) hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza ; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy. Marka 6:56

Ary nisy vehivavy anankiray… nankao ivohon’i Jesosy… ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’izay dia nijanona ny aretiny. Lioka 8:43-44

 

Na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza…

Ity vehivavy ity dia efa narary nandritra ny roa ambin’ny folo taona, ary tsy nisy olona nahasitrana azy. Nandany ny fananany izy, nijery mpitsabo maro, saingy vao mainka nihombo ny aretiny. Henony fa handalo Jesosy, ka nibahana tsy nihambahamba tao an-tsainy ny eritreritra hoe : na izao, na tsy hisy intsony. Azony antoka fa ho ampy ny fikasihana Azy fotsiny, mangingina sy tsy misy mahita. Koa nanatona izy ary nisisika hankeo akaikikaiky, mba hikasika ny somotraviavin-damban’i Jesosy. Teo anivon’ny vahoaka maro nanodidina Azy sy nifanosika, dia nahatsapa io antso malefaka io Jesosy ary namaly izany. Nitranga ny fahagagana, tsapan’ilay vehivavy avy hatrany fa sitrana izy ! Tsy diso ny fanantenany, namonjy azy ny finoany.

Nefa nanontany Jesosy hoe : „Iza moa no nanendry Ahy ?” Niriny ny hilazan’ilay vehivavy teo anatrehan’ny olona rehetra ny antony nikasihany Azy sy ny fomba nahasitrana azy. „Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao, mandehana soa aman-tsara”, hoy Izy taminy. Nanomboka teo dia fantany Ilay nahasitrana azy, ka nijoro ho vavolombelony izy. Fikasihana menamenatra ny somotraviavin-dambany ihany dia nisy vokany mahagaga ho azy !

Toa an’io vehivavy io ve ianao, vesarana olana manokana mikiky anao, ary tsy nisy na iza na iza nahafaka anao hatramin’izao ? Saro-kenatra ve ianao sa misalasala ? Manatòna an’i Jesosy, antsoy manokana Izy. Na dia mangingina sy misalasala toy inona aza ny antsonao, dia ho ren’i Jesosy izany ka hokarakarainy ianao. Hifandray manokana aminao Izy, ary hanome anao fiadanana !