Zoma 6 Janoary 2023

Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

 

Fanadihadiana momba ny Filazantsara, nataon’olona iray tsy mino

Rehefa niova fo ho kristiana ny vadin’i Lee Strobel, izay mpisalasala sy tsy mino, dia nanapa-kevitra hanao fanadihadiana momba ny fivavahana kristiana, mba hanaporofoany fa ireny tantara rehetra mikasika an’Andriamanitra sy Jesosy ireny dia lainga sy anganongano fotsiny ihany. Indreto, sombintsombiny nalaina tao amin’ny boky niraketany ny fehin-kevitry ny fikarohana nataony :

„- Tsy hay toherina ny fanambarana an’i Jesosy ara-tantara, indrindra teo amin’ireo vavolombelona mivantana nahafantatra Azy manokana.

— Ny rafi-pivavahana rehetra nodinihiko dia mifototra amin’ny hoe „manao” : „manao asa fiantrana, manao fivahiniana masina, manafoana ny vintan-dratsy taloha (ny ozona noho ny ratsy natao talohan’izao fiainana izao)…”, mba hanandramana mividy lalana hanatonana an’Andriamanitra.

— Tsy manam-paharoa kosa ny finoana kristiana, satria miorina amin’ny hoe„efa vita”. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia efa nanao, ho antsika, ny zavatra tsy haintsika natao ho an’ny tenantsika ; niaretany ny famaizan’ny fahafatesana, sahaza antsika noho ny fiokoantsika sy ny fitondrantenantsika ratsy, mba hahafahantsika mamitram-pihavanana amin’Andriamanitra… Nohazavain’ireo tranga maharesy lahatra hitako aho,… koa manomboka izao dia hila finoana be dia be lavitra hihazonako ny tsy finoako, toy izay hametrahako fitokiana amin’i Jesosy avy any Nazareta !

— Zava-poana ny miady sy miezaka mba ho mendrika eo imason’Andriamanitra, satria tanjona tsy ho tratrako izany. Tsy mitsahatra ny Baiboly mamerimberina fa Jesosy dia manolotra ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana maimaimpoana tsy vidina.

— Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, maty nisolo toerana ahy mba hiaritra ny famaizana sahaza ahy.

— Ankehitriny aho dia mino izany rehetra izany.”