Alakamisy 5 Janoary 2023

Ianareo mahalala ny… teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy… dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly. Asan’ny Apostoly 10:36-38

 

Jesosy Kristy, ilay vaovao mahafaly

Ny vaovao mahafaly dia izao : tia ny olona Andriamanitra, ka te hamonjy azy ireo. Jesosy mihitsy no tonga nanambara izany tamin’ny olony.

Ny fiainany dia tantara mahatalanjona. Tany amin’ny tanàna tsirairay nidirany, dia nahafantarana io vaovao mahafaly io ny fahatongavany sy ny teniny. Jesosy dia nanolotra ny fanafahana avy amin’Andriamanitra, ho an’izay rehetra nila izany, nanomboka tamin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, na tao anaty toejavatra nampamoy fo aza.

Rehefa nifanena tamina olona nijaly Izy, dia namela heloka, nanafaka, ary nampionona. Nositranin’i Jesosy ny vatana sy fanahy ary sain’ireo izay nifanena taminy.

Samy lavorary tao aminy ny firaisan’ny fahasoavana sy ny fahamarinana ary ny firaisan’ny halemem-panahy sy ny hery, izay fitambarana halavorary tokony ho nitarika ny vahoakany hiaiky fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy nirahin’Andriamanitra (Jaona 4:42).

Nefa dia tsy neken’ny vahoakany i Jesosy, sady tsy noraisiny ; nolavina ireo fitaomany mafy mba hibebaka. Namiratra tao anaty haizina ny mazava, nefa ny haizina tsy nahatakatra izany. Dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, toy ny jiolahy.

Ny fitiavany manontolo, ny fahaizany nampiasainy hanompoana ny olona, ny hatsaran-toetrany manontolo ara-panahy, dia tsy ampy nandresy lahatra sy nanadio ny fon’ny zanak’olombelona tamin’ny faharatsiany. Tsy maintsy maty Jesosy, Ilay Lehilahy lavorary, mba hamafa ny fahotantsika, mba hanome antsika fo vaovao, fiainam-baovao, raha mino Azy isika.

Vaovao mahafaly anie izany e !