Alarobia 4 Janoary 2023

Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika ; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany. 2 Petera 1:16

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

 

Ny Baiboly, boky tena marina

Ny finoana kristiana dia mifamatotra amina zava-nisy sy raki-tsoratra. Andriamanitra dia naneho ny tenany tamina asa mazava, notanterahin’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay voasoratra ho hita maso ao amin’ny tantara. Ny Baiboly, Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao, dia mitatitra ireo zava-nitranga ara-tantara mampisy heviny ny tantara manontolon’izao tontolo izao. Nisy olona nantsoin’Andriamanitra mba handray avy aminy sy hampita ireo fikasany sy ireo fiheviny. Imbetsaka Andriamanita no niteny tamin’izy ireo hoe : „Soraty”. Ireny fihevitr’Andriamanitra ireny sy io drafitra nokasainy io dia nosoratana tsikelikely tao anatina fitambaram-boky miisa 39. Izany no Testamenta Taloha.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao (boky 27), ireo filazantsara dia vavolombelon’ny zava-nitranga niainan’i Jesosy sy ny mpianany. Vavolombelona efatra nahita ny fiainan’i Jesosy no mitantara tsirairay, amina fijery samihafa, ny asany sy ny teniny, nanomboka tamin’ny nahaterahany ka hatramin’ny nahafatesany. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mampivohitra ny fiainan’ireo kristiana voalohany. Manaraka izany ireo taratasin’ny apostoly (epistily), manome torohevitra avy amin’Andriamanitra, hampiharina eo amin’ny fiainan’ny kristiana amin’ny vanimpotoana rehetra. Ary farany, ny Apokalypsy dia manokatra topimaso momba ny hoavy.

Manontany tena momba ny finoana kristiana ve ianao ? Taominay àry ianao hanokatra ny Baiboly, mba hahitanao ny maha izy azy, dia ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’ny azonao vakina ao ny marina momba ny fiainan’i Jesosy, voafintina hoe : „Kristy maty noho ny fahotantsika… dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo… ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy” (1 Korintiana 15:3-6).