Talata 3 Janoary 2023

Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Salamo 19:1

Andriamanitra Izay mitana ny ainao… dia tsy mba nankalazainao. Daniela 5:23

 

Niforona ho azy

Ilay mpahay kintana antsoina hoe Kirchner dia lazaina fa kristiana resy lahatra. Indray andro, hono, dia nitsidika azy ny iray amin’ireo mpiara-miasa aminy, izay tsy mpino. Hitan’ilay mpamangy tao amin’ny biraon’ilay manampahaizana, nisy bolantany voakaly sy tena mazava tsara amin’ny antsipiriany, hany ka nanintona azy.

— Iza no nanamboatra io bolantany io ? hoy izy nanontany.

— Tsy nisy, hoy ilay mpahay kintana.

— Aza mivazivazy moa e !

— Niforona ho azy tamin’izao io ka, hoy ilay namany nanamafy, tena matotra.

— Mamitaka ahy ianao e ! Valinteny mitombina omena ahy.

— Tsy mety mino ianao fa niforona ho azy tamin’izao io sarin’ny bolantany io, ary marina ny anao —mazava loatra. Dia heverinao ve fa niforona ho azy tamin’izao ny bolantany lehibe asehony ?

Gina tsy nahateny ilay mpiara-miasa.

Eny, ny fahariana izao tontolo rehetra izao dia mampiseho ny herin’Andriamanitra sy ny fahendreny. Ndao hanaiky ny fanambaran’ny Mpahary, Izy tenany mihitsy, ao amin’ny Baiboly, Izay Tenin’Andriamanitra :

„Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa” (Isaia 45:18).

Izy no „Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny, sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny, ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany” (Jeremia 10:12).

„Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy” (Apokalypsy 4:11).