Alatsinainy 2 Janoary 2023

Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany… Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny… ; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitsodrano azy hoe… Genesisy 1:1, 27, 28

Amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:2

 

Niteny Andriamanitra

Ny fiandohan’ny tantaran’ny zanak’olombelona dia voarakitra ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, ny bokin’ny Genesisy. Ny voasoratra ao no nolazain’Andriamanitra, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra, ho an’izay mino izany… ary ho an’izay tsy mino izany koa.

Ndao hiaiky fa „ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:20). Nefa ndao koa hamaky am-panetrentena, isanandro isanandro, izay lazain’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly. Teny fiainana, teny fahendrena, tenin’io Andriamanitra tia io… Manam-paharetana Izy, te hampahafantatra ny dikan’izany teny izany ankehitriny an’izay mihaino sy mino Azy. Te hiteny mangingina amin’ny fo sy ny fieritreretana Izy.

Napetrak’Ilay Mpahary teto an-tany ny olombelona mba hiaina sambatra, ho tompon’andraikitra hitantana izao voary kanto sy lavorary izao. Saingy mpitantana ratsy izy ireo, ka tsy nihaino ny tenin’Ilay Mpahary azy ireo. Nalain’izy ireo ho azy ny tany sy ny harena ao, mba hahafa-po ny filany.

Iza no afaka mandà ny voka-doza mitambesatra kokoa hatrany amin’izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy ?

Na izany aza, dia tian’Andriamanitra hatrany ny olona noarìny. Ka inona no nataony ? Tonga niteny tamintsika indray Izy, tamin’ny alalan’ny Zanany, nirahiny ho eto amin’izao tontolo izao. Nonina tetỳ amintsika Jesosy, Ilay Teny mandrakizay nahary izao rehetra izao, „nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy… Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:10, 12).