Alahady 1 Janoary 2023

Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô ; hoy izaho : Andriamanitro Ianao. Eo an-tànanao ny androko. Salamo 31:14-15

Aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra. Salamo 69:32

 

Pejy fotsy

Ny taona vaovao iray dia toy ny pejy fotsy : mbola hosoratana avokoa ny zavatra rehetra. Koa dia fotoana izao, handraisana fanapahan-kevitra tsara sy hanaovana safidy mahasoa… Saingy iza no ho afaka hanatanteraka izany ?

Ary sao dia izao koa aza no fotoana mety, hanankinana ny fiainantsika amin’Andriamanitra, miaraka amin’ireo tahotra, nofinofy sy fikasana momba ny hoavy ? Tsy lasa aloha loatra na diso tara loatra izao, hanaovana izany. Koa aoka Andriamanitra, Izay mandahatra ny zava-drehetra, avelantsika hiara-manoratra amintsika izany pejy vaovao momba ny tantarantsika izany, ary aoka ho tsapantsika tsara fa tsy afaka hitovy amin’ny fijerintsika ny fijeriny !

Hevero hoe any an-tendrombohitra any ianao, tonga eo amina toerana avo iray ahatsinjovana ny lemaka manontolo. Haingana, alaivo sary ! Saingy mandiso fanantenana ny vokatra azo. Hitan’ny masonao mazava tsara ny tontolo, teo, nefa dia ireo zavatra eo akaiky ihany no mivoaka tsara eo amin’ilay sary nalaina maimaika teo…

Eo amin’ny fiainantsika dia saika mifamadika amin’izany. Ny fijerintsika dia miraikitra loatra eo amin’izay hitantsika akaiky —ny zava-miseho eo amin’ny fiainantsika-, hany ka tsy tazantsika ny manontolo tokony hojerena. Fa Andriamanitra kosa dia manana fijery manontolo, manana tanjona ho antsika tsirairay, te hahasambatra antsika rehetra. „Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4).

Eny, izao taona vaovao izao dia fotoana mety, hiaingana tsara indray ka hanaovana safidy lehibe ho an’ny fiainantsika, dia ny hitodihantsika amin’Andriamanitra. Manaraka izany, dia ndao hatoky Azy : tia antsika Izy. Tsy afaka manova ny toejava-mitranga isika, na sarotra aza izy ireny, koa ahoana raha mba manova ny fijerintsika azy ireny, amin’ity taona ity ? Ndao handray azy ireny araka ny maha avy aminy azy ireny.