Asabotsy 31 Desambra 2022

Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8

Tamin’ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo. Salamo 77:2

 

Rehefa mitombo ny fangirifiriana

Aza milanja mihitsy ny enta-mavesatry ny ampitso ianao, Efa ampy ny havesatry ny entana entina isanandro. Ny hoe mamela amin’Ilay Andriamanitsika izay zavatra miankina aminy, Dia midika hoe mametraka eo aminy ny hoavy, ny fiainana. Ho an’ny ankehitriny, ny fahoriana vetivety Dia mampianatra hampisy fiovana haharitra mandrakizay, Fanofanana anaty : fiadanana, fifaliana, fatokiana ; Ankoatra ny faharetana, ny traikefa, ny fanantenana.

 

Rehefa mihamafy ny fangirifiriana, dia mitombo koa ny fahasoavany… Koa atsipazo eo aminy ireo fahasahiranantsika, ireo adin-tsaintsika. Ndao hahay misaotra ao anatin’ny fahoriana Rehefa miseho ao anatin’ny fahalemena ny heriny. Izay te hanao sanganasa dia mahay mampiasa fandraka. „Hivoaka toy ny volamena aho” raha raisiny an-tanana, Ny hany fialofako, dia Ianao, Izay itokiako, Famonjena ahy amin’ny fahoriana, tohana ho ahy mandrakizay.

 

Fantatro mandrakariva ve izay anaovan’Andriamanitra ahy ? Ho voninahitr’Andriamanitra no anomanany ny lalako !
Geneviève Dandrieu, 26 aogositra 2014

Mpanoratra pejy maro tato amin’ny Ilay Voa Tsara Nafafy, nodimandry ao amin’i Jesosy ny 31 desambra 2014, rehefa nolazoina aretina mafy sy niaritra fangirifiriana be ara-batana.