Zoma 30 Desambra 2022

Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro… Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:1-3

 

Miaraka amin’i Kristy, mba ho velona sy mba ho faty

Ny evanjelista Jaona dia mitantara amintsika ny fotoana farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany. Takatra tsara ny tebitebin’ireo izay nanaraka Ilay Mpampianatra azy ireo sy nihaino ny fampianarany. Inona no hataon’izy ireo raha tsy eo intsony Izy ? Inona no dikan’ny fahafatesany efa antomotra, izay nolazainy azy ireo ?

Taomin’i Jesosy izy ireo mba hatoky Azy, mba hino izay nambarany azy ireo momba ny any ankoatra (andinin-tSoratra Masina androany). Niaina toejavatra sarotra maro izy ireo niaraka taminy, afaka nisitraka ny toetrany mahatoky, ny heriny, ny fahefany. „Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”, hoy i Petera taminy (Jaona 6:68). Niaraka tamin’izy ireo mandrakariva Jesosy, nahatakatra ny nahazo azy ireo, nampahery azy. Ny finoana mantsy dia tsy hevitra tsotra fotsiny, tsy hevitra an’ny tena manokana ary tsy misy fototra. Ny finoana dia ilay faharesen-dahatra lalina ao anaty, voatefy ao amin’ny fanakekezana an’i Jesosy, ary mampirehidrehitra ny fontsika.

Ankehitriny io fanambaran’i Jesosy io dia miantefa amin’izay mino sy matoky Azy. Mampahery azy izy io, ary manafoana ny tebiteby mety hateraky ny fisalasalana ao anatiny.

Dia mety hamitaka ahy ve Ilay fantatro, Ilay nampahery sy nanohana ahy, nanoro hevitra ahy tao anatina toejavatra maro teo amin’ny fiainako, rehefa mametraka eo anoloako io fanantenana io ? Izany fifankazarako aminy izany, miorina amin’ny fatokiana, dia tsiambaratelo manokana tsy hay zaraina, nefa feno antoka momba ny any ankoatra. Hihaona amin’Ilay ninoako aho, mba hiara-miaina aminy. Fahasambarana toa inona moa izany, fahazoana antoka sy fanantenana toa inona !