Asabotsy 10 Septambra 2022

Nony nahita ny fahasahisahian’i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy ; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy. Asan’ny Apostoly 4:13

 

Tena mitafy tsara ny akanjony ianao

Tonga tao amina tanàna kely any Eoropa atsinanana ny evanjelista Jakov, indray andro. Tao izy dia nihaona tamina lehilahy iray efa zokiolona, izay nijaly mafy teo amin’ny fiainany noho ny fitondrantena ratsin’ny kristiana sasantsasany nanodidina azy. Rehefa naniry hiresaka aminy ny finoany an’i Jesosy i Jakov, dia notapahin’i Cimmerman tampoka ny teniny, ary notantarainy ny zava-dratsy vitan’ireo relijiozy tao an-tanànany. Ka hoy i Jakov taminy : — Alaivo an-tsaina anie hoe angalariko ny akanjonao dia anaovako, ary lasa aho mamaky banky. Tazan’ny polisy lavidavitra aho nandositra, ary azony ilay akanjonao. Inona no holazainao raha ampangainy ho namaky ilay banky ianao ?

— Holazaiko fa diso izany.

— Nefa hanana porofo mavesa-danja ny polisy, hiampangany anao, hoy i Jakov namaly. Tsy hisalasala izy hampiseho izany, sady hiampanga anao hoe : „Akanjonao ity !”

Nanahiran-tsaina an’ilay lahiantitra izany tantara izany, ka nangatahiny ilay evanjelista hivoaka tao an-tranony. Nefa nanohy nitsidika azy ihany i Jakov, mba hanambara aminy ny fitiavan’i Kristy. Indray andro dia nanontanian’i Cimmerman an’ilay mpamangy azy ny fomba hahatongavana ho kristiana. Nohazavain’i Jakov fa tsy maintsy miaiky ireo fahadisoany izy ary mino an’i Jesosy, Izay nanolotra ny ainy hamonjy antsika.

Dia nandohalika ilay lahiantitra, nanondrika ny lohany, ary sambany nivavaka. Rehefa nitsangana izy dia nanoroka an’i Jakov ary niteny taminy hoe : — Misaotra, tonga tato amin’ny fiainako ! Dia hoy koa izy, sady nanondro ny lanitra : Tena mitafy tsara ny akanjony ianao, mitafy ny akanjon’i Kristy !