Zoma 9 Septambra 2022

Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza. Deoteronomia 30:15

Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Joba 22:21

 

Azo resahina ve ny hoe fahasambarana ?

Ny fahasambarana, araka ny famaritan’ny rakibolana, dia fisiana fahafaham-po tanteraka. Mikatsaka azy io ny olombelona rehetra, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ! Ny sasany mihevitra hahita izany ao amin’ny harena sy ny fananana zava-mampiadana ; ny hafa, ao amin’ny toerana ara-piarahamonina na ny fahombiazana arak’asa ; ny sasany koa, ao amin’ny fisaintsainana lalina… Solomona mpanjaka, izay nalaza noho ny fahendreny, dia nanoratra boky iray, ny Mpitoriteny, nilazalazany ny fikatsahany ny fahasambarana. Hazavainy ao fa nandramany ny zavatra rehetra, ary zava-poana izany fikarohany izany.

Ka tsy tokony hitady intsony ve izany ? Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, dia manoro antsika lalana iray hafa : „Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4). Ny fahalalana an’i Jesosy ho Mpamonjiko sy Tompoko no mitondra ho ahy ny fahafaham-po sy ny fitsaharana. Ary mihalalina io fahasambarana io, arakaraka ny androsoan’ny fotoana. Ny apostoly Paoly, tao anatin’ireo fahoriana sy fitsapana mafy nahazo azy, dia nanoratra hoe : „Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo ; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho, ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:11-13). Mahay aho, nianatra aho… Koa tsy maintsy ianarana izany ny ho afa-po !

Andriamanitra dia nanolotra ny Zanany mba hamonjy antsika sy hitondra antsika ho amin’ny lalan’ny fiadanany sy ny fifaliany. Ilay „Andriamanitra finaritra” (1 Timoty 1:11) dia te hizara ny fahasambarany amin’ireo rehetra zanany, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy.