Alakamisy 8 Septambra 2022
Araka ny fanaony (Jesosy) dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata. Lioka 4:16
Nisy vahoaka betsaka indray, niangona teo aminy ; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy. Marka 10:1
Nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy. Lioka 22:39
Tamin’ny fiainany tetỳ an-tany Kristy dia nanome fahazarana telo feno fampianarana, mba ho ohatra ho antsika.
— Dieny tamin’ny fahatanorany Izy dia efa zatra nandeha any amin’ny synagoga, toeram-pivorian’ny Jiosy ao an-tranon’Andriamanitra, fara fahakeliny indray mandeha isankerinandro. Isika ve mba manana izany fahazarana izany, mifankahita isankerinandro amina kristiana, any amina trano fivavahana ?
— Tsy mba sasatra mihitsy Jesosy nampianatra ; fahazarany mihitsy aza izany. Izy no Ilay Mpampianatra nampianatra avy amin’Andriamanitra Rainy. Tsy voatery ho „mpampianatra” ara-panahy avokoa tsy akory isika tsirairay, nefa samy manana hafatra hampitaina amin’ireo izay mifanerasera amintsika. Isika ve mba manana fahazarana mampita zavatra avy amin’Andriamanitra, amin’izy ireo ?
— Nitokana Jesosy mba hivavaka. Nahafantatra tsara ny tendrombohitra Oliva Jesosy sy ny mpianany, anisan’izany i Jodasy, izay ho tonga any hamadika Azy. „Mpankao matetika Jesosy mbamin’ny mpianany” (Jaona 18:2). Tamin’ilay alina hisamborana Azy, „araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy”. Zatra nivavaka tao Jesosy. Eto dia hitantsika Izy mivavaka sy mitalaho amin’ny Rainy. Avy eo dia nampirisihiny ny mpianany mba hivavaka, satria ny vavaka ihany no afaka miaro azy ireo tsy ho azon’ny fakam-panahy sy hanohana ny finoany rehefa hohomboana eo amin’ny hazofijaliana ny Tompony.
Mivavaka, tsapantsika ve ny ilàna izany eo amin’ny fiainantsika ? Isika ve mba manokana fotoana hivavahana amin’Andriamanitra, mba hilazana aminy izay ilaintsika, sy hifonana ho an’ny hafa ?