Alarobia 7 Septambra 2022
Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Filipiana 2:9-11
Avy amin’Andriamanitra Izy. Nitafy ny fomba maha olombelona Izy, mba hanafahany antsika amin’ny ratsy. Tonga toy ny Zanak’olona Izy, mba hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Tsy nanoratra boky Izy na iray aza, nefa tsy misy tranomboky afaka hitahiry ny boky rehetra nosoratana momba Azy. Tsy mba nanorina sekoly Izy, nefa na ny fitambaran’ny oniversite rehetra aza, tsy afaka hihambo ho nahangona mpianatra maro tahaka Azy. Tsy mba nitari-tafika Izy, na nanakarama olona ho miaramila, nefa mpikomy tsy hita isa no nametraka ny fiadiam-pikomiany ka nanoa Azy, tsy nisy teny fampitandremana avy taminy akory, fa tamin’ny alalan’ny fiadian’ny fitiavany sy ny fahamarinany irery ihany.
Nafeniny tao anaty fitafiana mpandrafitra mahantra ny voninahitra maha Andriamanitra Azy. Nanankarena Izy, nefa niaina tao anatin’ny fahantrana, noho ny fitiavany antsika, mba hampanankarena antsika…
Olo-malaza maro no nipoitra, nefa hadino avy eo. Izy irery no tsy hadino. Tsy nahalevona Azy ny fahafatesana, ary tsy nahatana Azy ny fasana. Izy no Ilay Kristy tsy manam-paharoa, Ilay „Mahagaga” nambaran’ny feon’ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Namirapiratra teny amin’ny tavany, araka ny maha olona Azy, ny voninahitra mandrakizain’ny Ray, dia Ilay Andriamanitra fitiavana.
Maty ho ahy sy ho anao Izy, teo amin’ny hazofijaliana. Nandritra ny taona nifandimby Izy dia naharitra nitady anao teny amin’ny lalan’ny fisalasalana nandosiranao Azy, nefa tsy noraharahainao… Ankehitriny, henoy Izy. Aza mangataka andro. Niaritra ny fahafatesana Izy, mba hanome anao ny fiainana. Anio Izy dia mba te handre anao miantso Azy hoe : „Mpamonjiko”.